• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena
Image
Vaovao

« Opération Dona » : Môtô 200 isa no nogiazan’ny Pôlisy tao anatin’ny 3 andro

18/06/2024 16:00 © Moov.Mg

Nitombo ny isan’ny lozam-pifamoivoizana nitranga teto Antananarivo Renivohitra tao anatin’ny iray volana. Antony anaovan’ny Polisim-pirenena ny « Opération Dona » izany, izay telo andro androany no nanatanterahana azy.

Sarotra entanina

Môtô manodidina ny 200 isa no efa nampidirina am-balampamonjana tao anatin’izay 3 andro nanaovana ny « Opération Dona » izay, izay iarahan’ny Polisim-pirenena sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra mientana. Môtô 60 isa isan’andro tany ho any no nogiazana eny Anosipatrana ary tsy averina amin’ny tompony raha tsy aorian’ny fandoavana lamandy eny amin’ny Kaominina sy eny amin’ny Police Centrale eny Tsaralalàna. Nialohavan’ny fanentanana izao hetsika izao, araka ny fampahatsiahivana nataon’ny Polisim-pirenena, fa tsy avy hatrany akory dia tonga amin’ny fanasaziana tahaka izao. Tsy maintsy nirosoana anefa ny « Opération Dona », araka ny fanazavana, satria maro amin’ny Malagasy no sarotra entanina, hoy hatrany ny fanazavana. Toerana miovaova moa no nanaovana ny hetsika. Mbola tsy voafaritra ihany koa ny fotoana hifaranany, sady efa asan’ny polisy amin’ny andavanandro rahateo ny fitandroana ny fifamoivoizana, saingy natao tamin’ny endrika hafa tamin’ity indray mitoraka ity.

Ho fampihenana ny loza

Araka ny tatitra azo avy eo anivon’ny polisim-pirenena Malagasy dia tafakatra 40 isa ireo lozam-pifamoivoizana nitranga teto Antananarivo Renivohitra, teo anelanelan’ny 12 mey sy 12 jona. Nataon’ny môtô ny 25 tamin’ireo loza ireo. Nitarika fahafatesan’olona kosa ny dimy, ka ny roa no vokatry ny môtô. Ny tsy fanajana ny lalànan’ny fifamoivoizana ataon’ireo kodiaran-droa no antony mitarika ny loza, amin’ny ankapobeny, toy ny fandehanana mafy sy ny tsy fitandremana isan-karazany. Eo ihany koa ny tsy fanaovana aroloha. Tanjon’ny « Opération Dona » ny hampihenana ny lozam-pifamoivoizana eto an-drenivohitr’i Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires