• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Men
Image
Vaovao

Fanadinana CEPE : Hafainganina ny fitsarana sy ny famoahana ny valim-panadinana

18/06/2024 15:06 © Moov.Mg

Nandray fepetra manokana ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena tamin’ity taona ity, mba hampizotra an-tsakany sy an-davany ny fanadinana CEPE. Nidina ifotony teny amin’ny ivon-toeram-panadinana CEG Antanimbarinandriana, fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo Renivohitra, ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena mpisolo toerana, Zely Randriamanantany androany maraina, nanara-maso izany.

Nandray fepetra manokana

Nalaza tamin’ny taon-dasa ny fivoahan’ny laza adina mialohan’ny fotoam-panadinam-panjakana. Nisy, noho izany, ny fepetra noraisina mba hisorohana izany, araka ny fanazavan’ny minisitra. Nisy marika napetraka, ahafahana mahita raha mbola tena mihidy tsara ny fitoeran’ny taratasim-panadinana, manomboka any amin’ny sobika hatrany amin’ny valopy, hoy ny fanazavany. Etsy an-daniny, efa manamora ny fifandraisana manerana ny Nosy ny teknôlôjia, mba hamahana haingana ny olana, raha misy izany. Hatramin’ny androany maraina, nidinan’ny minisitra ifotony aloha, dia tsy nisy ny fitarainana voaray, momba izay fizotran’ny fanadinana CEPE izay. Nandritra io fidinana ifotony io ihany koa no nanambaran’ny minisitra Zely Randriamanantany fa ao anatin’ny herinandro dia tokony hivoaka ny valim-panadinana ary rahampitso dia efa hanomboka ny fitsarana izany. Ezahina hafainganina araka izay azo atao, hoy izy, izany fivoahan’ny valim-panadinana izany.

Ankizy manana fahasembanana sy mifonja

Raha tsiahivina dia miisa 529 000 ny mpianatra malagasy miatrika ny fanadinam-panjakana CEPE ho an’ity taona 2024 ity. Nahitana fiakarana 3% izany, ho an'ity taom-pianarana 2023-2024 ity, raha mitaha amin’ny tamin'ny taon-dasa. Manana fahasembanana ny 99 amin’ireo mpiadina ireo. Misy 9 mirahalahy kosa no ankizy tsy ampy taona voatazona eny amin’ny fonjan’Antanimora, beazina ao amin’ny Ecole Educative des mineurs, no manala ny fanadinana CEPE amin’ity taona ity. Teny amin’ny foibem-panadinana CEG Ambohimiandra no niatrehan’izy ireo izany fanadinana izany. Araka ny fantatra moa, 5 taona ny zandriny indrindra amin’ireo miatrika ity fanadinam-panjakana voalohany ity ary 46 taona kosa no zokiny indrindra.

Lire la suite

Articles Similaires