• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fmf
Image
Vaovao

Fanatanjahantena : Mpampianatra mpitsara baolina kitra miisa 34 hampiofanina

18/06/2024 14:49 © Moov

Miverina indray ny « cours MA – instructeurs d’arbitres ». Voafantin’ny Federasiona Malagasy ny Baolina kitra (FMF) amin’izany ny mpampianatra mpitsara miisa 34. Miofana mandritra ny 5 andro eny amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus manomboka rahampitso izy ireo. Manampahaizana manokana amin’izany no hampiofana.

Fampitoviana fahaizana

Asa tena sarobidy sy saro-pady amin’ny lalao baolina kitra ny fitsarana. Araka izany dia tokony hitovy ny fahalalan’ireo mpitsara tsirairay. Tokony hitovy ihany koa ny fenitra fomba fitsarana eny ambony kianja. Araka izany dia natao indrindra hampitoviana ny lentan’ny fahaizan’ireo mpampianatra mpitsara ireo ity fotoana ity. Hamerenana ireo fahalalalana mety ho adino ihany koa ity fiofanana ity. Raha ny fanambaran’ny avy ao amin’ny FMF dia hanatsara ny fahaizany sy hanaraha-maso ny fitsipika sy fomba fanao vaovao tokony hampiharina amin'ny fitsaràna ireo dimy andro ireo. Lohahevitra maro ihany koa no hifampizarana ao anatin’izany ankoatra izany. Anisan’izany ohatra ny famerenana ireo fahaizana ara-teôrika momba ny lalàn'ny lalao ka hatramin'ny fanazaran-tena eny an-kianja. Tsara ny manamarika fa ireto mpampianatra mpitsara ireto no hizara ny fahaizany any amin’ireo mpitsara baolina kitra eny an-kianja. Marihina fa efa nisy hatrany ity fampiofanana ity nandritra ny roa taona teo ho eo teto Madagasikara. Samy mikarakaraka izany avokoa ireo federasiona ny baolina kitra maneran-tany.

Mpampiofana malaza

Karakarain’ny FMF ity fampiofanana ity hiarahany miasa amin’ny FIFA. Mpampiofana malaza roa avy amin’ny FIFA araka izany no hizara ny fahaizan’izy ireo amin’ny Malagasy. I Ananh Jeanne Ayemou sy i An Yan Lim Kee Chong izany hisolo tena ny FIFA izany. Hizarana ny fahaiza-manaony sy ny traikefany iraisam-pirenena izy ireo. Fananana sarobidy ho an'ny mpandray anjara izay handray soa avy amin'ny torohevitr’izy ireo ity fotoana ity. Karazana fizàrana ihany ity fiofanana ity. Fotoana iray hampitomboana ny fahalalana, hifaneraserana amin'ireo mpampianatra malaza ao amin'ny FIFA ary ihany koa hahalalana ny fivoarana farany.

Lire la suite

Articles Similaires