• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena Malagasy
Image
Vaovao

Mpamily kodiaran-droa : « Manaiky ny fandaminana fa tokony misy fampitandremana mialoha »

18/06/2024 13:01 © Moov

Nanatanteraka ny « opération DONA » ny avy ao amin’ny Polisy Nasionaly niaraka tamin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Hampihenana ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny kodiaran-droa no anton’izany. Naneho ny heviny araka izany ireo mpamily ireo fa tokony hisy ny fampahafantarana mialoha.

Fampianarana sy fampitandremana

Tanjon’ny avy ao amin’ny Polisy Nasionaly ny hampihena araka izay azo atao ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny kodiaran-droa. Araka izany dia nidina an-tsehatra izy ireo nanomboka ny faran’ny herinandro teo nanara-maso ny fifamoivoizana. Misy tamin’ireo kodiaran-droa no nampidirina ambalam-pamonjana. Nilaza araka izany ireo mpamily voasava fa tokony hisy ny fampitandremana mialoha sy ny fampianarana mialohan’izany fepetra raisina izany. « Tsy tokony avy hatrany dia giazana ny moto fa tokony hampahafantarina maharitra aloha ny olona amin’ny fomba fampiasana lalana », hoy i Marcélin, anisan’ireo mpamily kodiaran-droa. Etsy andaniny anefa dia nanamafy ny avy ao amin’ny Polisy Nasionaly fa efa dingana faharoa izao fidinana antsehatra izao fa mbola ho avy ihany koa ny andiany fahatelo. Heverina ho mafimafy kokoa noho ny fampidirana ambalam-pamonjana izany.

Fanatsarana ny sehatra rehetra

Anisan’ny nangatahin’ireto mpamily kodiaran-droa ireto ihany koa ny fanatsarana ny fotodrafitrasan’ny lalana, raha ny eto Antananarivo manokana. Etsy andaniny ihany koa ny fanavaozana ny fomba fahazoana ny taratasy ilaina rehetra. Anisan’izany ohatra ny taratasy fahazoan-dalana hamily fiara misy motera kodiarana roa izay maharitra ela vao mivoaka eo anivon’ny « Centre Immatriculateur de Madagascar ». Iray amin’ireo antony miteraka loza anefa ny fahatahorana ny mpitandro filaminana momba ny tsy fahatomombanan’ny taratasy. Azo lazaina ho tsy mandeha ila araka izany ny fitandroana ny lozam-pifamoivoizana. Asa hiarahana manatanteraka ka ilaina ny fandraisana andraikitry ny tsirairay.

Harahi-maso manokana ny kodiaran-droa

Ity « opération DONA » ity dia natokana ho an’ny mpamily kodiaran-droa. Miisa 40 ireo loza naharatrana olona ka ny 25 amin’ireo dia vokatry ny kodiarandroa, raha ny antontan’isan’ny Polisy Nasionaly nanomboka ny 12 mai haramin’ny 12 jona teo. Miisa 5 kosa ny loza nahafatesana olona ary miisa 2 no avy amin’ny « moto ». Araka izany dia manana andraikitra lehibe amin’ny fiarovana ny ainy sy ny ain’olona hafa ireo mpamily ireo ka nosinganina manokana izy ireo. Haharitra 5 andro ity hetsika ity ary haparitaka manerana ny Nosy.

Lire la suite

Articles Similaires