• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © La Balise
Image
Vaovao

Fananan-tany : Hofoanana ny fangatahana tanim-panjakana talohan’ny 31 desambra 2010

18/06/2024 10:38 © Moov.Mg

Manomboka amin’ny 8 jolay izao dia hiroso amin’ny fanafoanana faobe ireo fangatahana tanim-panjakana talohan’ny 31 desambra 2010 ny Fanjakana, raha toa ka tsy misy ny fanavaozana izany mialoha an’io daty voatondro io.

Mila fanavaozana

Raha tsiahivina dia tao anatin’ny filàn-kevitry ny minisitra notontosaina ny 31 janoary 2024, no noraisina ny fanapahana hampiato mandritra ny 90 andro ny fangatahana tanim-panjakana rehetra, araka ny toromarika avy amin’ny filoha Andry Rajoelina. Tao anatin’izay 90 andro izay no nanentanana momba ny fanavaozana ireo fangatahana tanim-panjakana sy nanavaozana ny lalàna mifehy ny fangatahana tany. Efa tapitra ny 8 mey teo ny fanisana ireo fangatahana tanim-panjakana rehetra nampidirina teny anivon’ny Sampandrahan’ny Fananan-tany manerana ny Nosy, talohan’ny 31 desambra 2010. Mbola mitohy ny fanaovana peta-drindrina ireo fangatahana talohan’ny 31 desambra 2010 ireo, manerana ny Sampandraharahan’ny Fananan-tany sy Fandrefesan-tany manerana ny Nosy, ka azon’ireo rehetra voakasika jerena ny lisitra momba izany. Raha tsy mipoitra mihitsy ilay mpangataka, na ny taranany, na izay olona voakasiky ny fangatahana, mialohan’ny 8 jolay 2024, kanefa ao anatin’ny lisitra navoakan’ny Sampandraharahan'ny Fananan-tany sy Fandrefesan-tany, dia hosokajiana ho toy ny fangatahana voakasiky ny fanapahan-kevitra fanafoanana ilay fangatahana.

Misokatra ny fangatahana vaovao

Etsy an-daniny, efa miverina mandray fangatahana tanim-panjakana azo amidy vaovao indray ny fari-piadidian'ny Fananan-tany rehetra, satria efa tapitra ny 90 andro nampiatoana izany. Mitohy ny fikirakirana ny fangatahana tanim-panjakana azo amidy tao aorian'ny 31 desambra 2010 ary mitohy ireo fangatahana rehetra taloha sy tao aorinan’ny 31 desambra 2010 izay efa nahazoana fanapahan-kevim-panjakana rehetra. Misokatra amin’ireo izay mila fanampim-panazavana rehetra ny biraon'ny Sampandraharahan'ny Fananan-tany na Fandrefesan-tany manerana ny Nosy.

Lire la suite

Articles Similaires