• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unsplash
Image
Vaovao

Sokatra nisy nanary teny Sabotsy Namehana sy Mahitsy : Tambajotra iray no tompon’antoka

18/06/2024 06:28 © Moov.Mg

Tambajotra iray ihany no tompon’antoka tamin’ireo sokatra hita teny Sabotsy Namehana sy Mahitsy ny 16 sy 17 jiona teo, araka ny nambaran’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy.

Tambajotra iraisam-pirenena

Raha ny fahitana azy, sy araka ny dingana efa vita amin’ny fanadihadiana, dia sokatra nokasaina haondrana izy ireto, noho izy ireo efa nisy fonony. Azo inoana fa tambajotra iraisam-pirenena mihitsy no misehatra amin'izao fanondranana an-tsokosoko biby arovana eto Madagasikara izao. Efa naterina eny amin'ny ivon-toerana fandraisana ireo sokatra voageja ireo biby ireo, araka ny fampahafantarana nataon’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Efa eo am-panaovana ny fanadihadiana ihany koa ny mpitandro ny filaminana miaraka amin'ireo mpianala avy ao amin'ny Ministera. Araka ny fantatra dia any amin'ny Faritra Androy sy Atsimo Andrefana no tena mbola ahitana ireo sokatra ireo, dia any Beloha Androy sy Tsihombe ary Itampolo sy Androka. Misy amin'izy ireo no avy any anaty valan-javaboahary ary misy koa anefa ny ety ivelany. Tamin’ny fotoana nandalovan’ny minisitry ny Tontolo Iainana Fontaine Max Andonirina tany amin’ny Faritra Atsimo Andrefana moa dia nisy ny fanaraha-maso ireo toerana rehetra fitazonana ny sokatra voageja, toy ny tao amin’ny “Village tortue Mangily”, ny Lavavolo Turtle Center LTC ao Itampolo ary ny “Centre Reniala”. Hotohizana any amin'ireo faritra rehetra manerana ny Nosy izany.

Hohamafisina ny fitsirihana

Isan’ny hetsika atao ary hamafisina ny fampahafantarana ny lalàna amin'ireo vahoaka any ifotony sy ireo olom-boatendry, hoy ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Tsy maintsy hampahafantarina ny mpitatitra lakana, botry, sambo sy taksibrosy ihany koa fa tsy azo atao ary voararan'ny lalàna ny fitaterana ireny biby arovana ireny. Ankoatra izay dia hamafisina ny fampahafantarana fa voararan'ny lalàna ny fiompiana sokatra. Hihamafy kokoa ny fitsirihana eny amin'ny lalam-pirenena, hetsika izay hiarahana amin'ny mpitandro ny filaminana. Tsara ny mampahatsiahy fa nampivory ireo mpitandro ny filaminana tarihin'ny OMC any ifotony ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ny zoma 14 jona 2024 lasa teo ary nametraka ny « task force » izay hiady amin'ity tambazotra mpanondrana an-tsokosoko biby arovana ity. Hisy ny fidinana ifotony ataon'ireo ao amin'ny Faritra Androy sy Atsimo andrefana amin'ny hifehezana ifotony ny fitrandrahana an-tsokosoko.

Lire la suite

Articles Similaires