• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Journal Madagascar
Image
Vaovao

Fiaraha-monina : Miandry ny volavolan-dalana momba ny fampanajana ny zony ny zokiolona

17/06/2024 16:41 © Moov

Efa an-taonany maro no nametrahan’ireo be antitra ny volavolandalana mikasika ny fampanajana ny zony teny anivon’ny Antenimiera. Nankalazaina ny herinandro lasa teo ny andro iraisam-pirenena amin’ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny zokiolona. Mbola miandry hatrany ny lalàna tokony ho hampiharina amin’izany hatrany izy ireo hatramin’izao.

Efa hatramin’ny taona 2008

Efa ny taona 2008 ny Firaisamben'ny Zokiolona eto Madagasikara (FIZOMA) no nametraka ny lalàna tokony ho sitrahiny sy hampihaina amin’izy ireo. Hatramin’izao dia mbola tsy nisy nandany izany volavolan-dalàna izany ka miandry izany hatrany izy ireo. Fotoana iray hanairan’izy ireo indray ny fitondram-panjakana ny 14 jona izay andro antokana ho azy ireo. Manan-danja amin’izy ireo ny fampanajana ny zony na dia efa lehibe aza ireo ka izany indrindra no hiadivan’izy ireo amin’izany. « Mahatsapa izahay fa tena voahitsakitsaka ny zonay. Efa vitsy no manaja izany eny anivon’ny fiaraha-monina », hoy i Solange Raharivelonarivo, filohan’ny FIZOMA eto Madagasikara. Andrasana fatratra izany lalàna izany amin’izao fotoana izao mba hiverenan’ny fanajana sy ny fisitrahana zo maha-olona ireto karazan’olona ireto. Ireo marefo sy ireo tsy mandray fiantohana avy amin’ny fanjakana na avy amin’ireo tsy miankina no tena mila izany lalàna izany.

Fahasalamana sy fikarakarana taratasy

Tafiditra ao anatin’izany fangatahan’izy ireo izany ny mikasika ny fahasalamana sy ny fikarakarana taratasy. Nilaza izy ireo fa tokony ho maimaimpoana izany rehetra izany ho an’ireo zokiolona. « Tsy miasa ny zokiolona ka maro amin’izy ireny no tsy mandray fisotroan-dronono. Mety tsy hanambola akory amin’ny fikarakarana ny fahasalamany izy ireo. Marihina anefa fa marefo izy ireo ka efa sarotra ny mikasika ny fahasalamany ka tsy maintsy mitsabo tena maharitra ka izany no hangatahanay ny maha maimaimpoana izany », hoy ny Filohan’izy ireo. Izany antony rehetra izany no mahatonga azy ireo miandry ity volavolan-dalàna ity. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fikarakarana taratasy. Na eny anivon’ny fokontany izany hatreny amin’ireo sampan-draharaham-panjakana lehibe. « Tokony ho maimaim-poana avokoa izany rehetra izany mba hanamora ny fikarakaranay ny taratasy rehetra momba anay», hoy hatrany izy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires