• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pm
Image
Vaovao

Tahirim-bola Iraisam-pirenena : Nifarana ny fotoam-piasan’Atoa Mokhtar Benlamine teto Madagasikara

17/06/2024 16:22 © Moov.Mg

Tapitra amin’ity taona ity ny fe-potoam-piasan’Andriamatoa Mokhtar Benlamine, solontenan'ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI) teto Madagasikara. Tonga nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fifanajana teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo izy androany maraina.

Jery todiky ny fiaraha-miasa

Raha tsiahivina dia tamin’ny taona 2022 no nandray ny asa maha-solon-tenan’ny FMI azy teto Madagasikara Andriamatoa Mokhtar Benlamine. Manam-pahaizana manokana momba ny toekarena izy ary nianatra momba ny filôzôfia ihany koa. Roa taona no niasany teto Madagasikara ary eo am-pamaranana izany fotoam-piasany izany izy ankehitriny. Tonga nitsidika ara-pomba fifanajana sy nametra-beloma tamin'ny Praiministra Ntsay Christian ity solontenan’ny FMI ity, androany maraina. Tafiditra tao anatin’ny dinika nifanaovan’ny roa tonta, ny jery todiky ny fiaraha-miasa nisy teo amin'ny Fanjakana Malagasy sy ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena. Nisy ihany koa ny firesahana mahakasika ny fandalovan’ny Fifanaraham-piaraha-miasa vaovao eo amin’ny roa tonta, eo anatrehan’ny Filan-kevim-pitantanan’ny FMI any Washington, amin’ny faha-21 jona izao. Mikasika ny fisitrahan’i Madagasikara ny « Facilité élargie de crédit » (FEC) sy ny praograma « Facilité pour la résilience et la durabilité » (FRD) izany, raha tsiahivina.

Fanarenana ny toekarena

Raha ny tatitra avy eo anivon’ny Primatiora dia nilaza ho afa-po tamin'ny fiaraha-miasa niaraka tamin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ny Praiministra Ntsay Christian Andriamatoa Mokhtar Benlamine, ary nanolotra fisaorana ny fitondram-panjakana Malagasy, nametraka fitokisana taminy. Taorian’ny Covid-19, fotoana tafiditra tanteraka tao anatin’ny fanarenana ny toekarem-pirenena sy ny toekaren’izao tontolo izao manontolo moa, taorian’ny valanaretina, no nandraisany ny andraikiny teto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires