• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Gn Sabotsy Namehana
Image
Vaovao

Trangam-piarahamonina : Miisa 542 ireo sokatra nisy nanary teny Sabotsy Namehana sy Ambohidratrimo

17/06/2024 16:07 © Moov

Toerana roa no nahitana sokatra nofonosana harona plastika sy nariana teny amorondalana teto Antananarivo. Miisa 542 izy ireo raha atotaly ka ny 342 hita tao Sabotsy Namehana raha hita teny Ambohidratrimo kosa ny 200 tamin’izany. Mitohy ny fikarohana ny atidoha nikotrika izao famonoana biby arovana izao.

Maty ny 56

Marihina fa nisy nanary teny amin’ny sisin-dalana ireto sokatra ireto no izao hitan’ny mpitandro filaminana izao. Naterina teny anivon’ny sampan-draharahan’ny Ministeran’ny tontolo iainana teo Nanisana izy ireo rehefa izany. Miisa 56 no fantatra fa maty raha mbola velona kosa ny sisa ambiny. Nilaza ny Zandarimaria avy ao Sabotsy Namehana fa 6 no maty ho an’ireo tany amin’izy ireo ary 50 kosa no maty raha ilay teny Ambohidratrimo. Ny sabotsy faran’ny herinandro teo no nahitana izany tetsy Sabotsy Namehana raha omaly alahady kosa ny teny Mahitsy. Nilaza ny avy ao amin’ny Zandarimaria Ambohidratrimo fa mety ho naman’ilay teny Sabotsy Namehana ihany ireto satria mitovy ny fonosan’ireo biby.

Tsy fantatra izay nanary azy

Hatramin’izao fotoana izao dia mbola tsy fantatra ny olona mety ho nanary azy ireto na dia efa nokarohina nanodidina ny toerana nahitana azy ireo aza. Araka izany dia misokatra ny fanadihadiana. Tsy maintsy karohina ny olona manao izany heloka be vava izany na ireo sokatra teo Sabotsy Namehana izany na ireo teo tany Mahitsy ao Ambohidratrimo. Marihina fa mety hampigadra ampolotaonany ny fanaovana trafikana sokatra sy karazanjavamananaina eto Madagasikara. Marihina ihany koa fa ireo sokatra ireo dia ampanarahana ny dingana takian'ny fanajana ny Tontolo iainana sy ireo biby arovana.

Manankarena karazanjavamananaina

Astrochelys Radiata, isan’ireo karazana sokatra be mpitady aty Madagasikara ireto hita faty natao tanaty harona plastika ireto. Anisan’ny biby mampiavaka an’ny Madagasikara ny karazan-tsokatra. Araka izany dia harena voajanahary arovana ireny. Ny filoham-pirenena dia efa nilaza fa hanao ho laharam-pahamehana ny famongorana ireny olona mpanao trafika ireny. Araka izany dia efa maro ny ezaka mandeha amin’ny ady amin’izany. Tsara ihany koa ny mampatsiahy fa Madagasikara dia manana ny 80% amin’ireo karazanjavamananaina arovana maneran-tany. Araka izany dia raisin’ny rehetra ho laharam-pahamehana ny fiarovana izany.

Lire la suite

Articles Similaires