• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ledefi.Madagascar
Image
Vaovao

Toetr’andro : Hangatsiaka ny andro mandritra ny fanadinam-panjakana CEPE sy ity herinandro ity

17/06/2024 15:31 © Moov

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoan’ny ririnina ny fanadinam-panjakana hahazoana ny mari-pahaizana CEPE. Hidina hatramin’ny 11°C izany raha eto Analamanga sy ny afovoantany. Araka izany dia ilaina ny fanaovana akanjo mafana ho an’ireo ankizy izay hiatrika izany fanadinana izany.

Hanamarika ity herinandro ity ny tsokan’ny varatraza na ny « alizé ». Izany no mahatonga ny mari-pana ahitana fidinany, indrindra amin’izao fiandohan’ny herinandro izao. Araka izany dia efa tokony hiomana amin’izany avokoa ny Ray aman-dReny sy ny ankizy hanala ny fanadinana CEPE amin’ny akanjo mafana. Ilaina izany mba hizoaran’ny fanadinana am-pilaminana. Ankoatra izany dia mila homanina sahady ihany koa ny vatana hiatrika izany hatsiaka izany. Anisan’ny tokony atao ohatra ny mampitombo ny hery fiarovana sy ny hafanana any anaty vatana amin'ny alalan'ny sakafo (trondro sy hazan-dranomasina, voamaina, legioma maitso, sns).
Etsy andaniny anefa dia manambara ny avy ao amin’ny Sampana Mpamantatra ny toetr’andro fa hivadika kely indray izany toetr’andro izany amin’ny afovoan’ny herinandro. « Mety hiakatra kely fotsiny ny mari-pana amin’izay fotoana izay saingy hisy rivotra malefaka hatrany ka ho re ihany ny vanim-potoan’ny ririnina », hoy Lahatra Mampionona avy ao amin’ny Météo Madagascar. Tsy ny ankizy irery ihany rahateo no mila miomana amin’izany fa ny sokajin-taona rehetra.

Hamirifiry ny faran’ny herinandro

Nampiomana ihany koa ny avy ao amin’ny Sampana Mpamantatra ny toetry ny andro fa hihamafy izany varatraza izany ny faran’ny herinandro. « Hidina hatramin’ny 9°C ny mari-pana ary mety hisy erika sy rivotra mamirifiry ho an’ny eto Analamanga », hoy hatrany ny teknisianina avy ao amin’ny Météo. Hitondra orana matevina ihany koa io toetr’andro io raha ho an’ny sisiny Atsinanana. Izany no midika fa efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoan’ny ririnina tanteraka eto Madagasikara ary hanomboka hamirifiry amin’izay ny hatsiaka. Midika ihany koa izany fa tsy misy hatahorana intsony ny fiforonana andro ratsy. Hiaina hiaraka amin’ny hatsiaka mandritra ny telo na efa-bolana eo indray ny Malagasy ka ilaina ny mampitombo ny fiarovana amin’ny aretina.

Lire la suite

Articles Similaires