• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Fanondranana biby an-tsokosoko : Natsangana ny « Task Force » any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana

17/06/2024 15:14 © Moov.Mg

Maromaro tato ho ato ny raharaha mafana momba ny fanondranana biby arovana an-tsokosoko, izay saika nivoaka avy any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, raha ny fanadihadiana. Nisy, noho izany ny fivoriana niarahana tamin'ny OMC (Organe Mixte de Conception) Atsimo Andrefana, nametrahana paikady hiadiana amin'ny fitrandrahana sokatra sy varika.

Hamafisina ny fanaraha-maso

Nivoitra, nandritra ity fivoriana natao tao amin’ny Faritra arovana Reniala ity, fa tsy maintsy hamafisina ny fanaraha-maso ny fanondranana ireo biby arovana, na eny ifotony izany, na eo anivon’ny zotra nasiônaly, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Fontaine Max Andonirina. Hampiana tosika ihany koa ny fanentanana eny anivon’ny Fokontany, mba hampahafantarana an’ireo mponina eny ifotony ny azony atao sy ny tsy tokony hatao. Zava-dehibe, ankoatra izay, ny fananganana « Task Force » eo anivon’ny Faritra, tahaka ny efa nananganana « Task Force » iraisam-pirenena tany Thaïlande, nandritra ny fifampiresahana momba ny fampodiana ireo biby tratra naondrana an-tsokosoko tany an-toerana. Tafiditra ao anatin’io « Task Force » eto Madagasikara io ny mpitandro ny filaminana, ny Fitsarana, ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy…

Manahirana ny dingana fampodiana

Tena manan-danja ny fametrahana paikady fisorohana, satria tena mitarika fahasahiranana ny fampodiana ireo biby, rehefa efa any an-tanin’olona vao tratra sy hampodiana eto an-tanindrazana. Nanazava ireo dingana lalovana ho amin’izany ny minisitry ny Tontolo Iainana, raha ny momba ireo sokatra sy varika tratra tany Thaïlande manokana. Tsy maintsy hatokana aloha ireo biby (mise en quarantaine) mialohan’ny hiaingana any an-toerana. Rehefa tafaverina eto Madagasikara dia mbola mandalo fanaraha-mason’ireo mpitsabo biby sy siantifika ihany koa ary mbola atokan-toerana indray. Raha ny nambaran’ny mpitantana ny faritra arovana Reniala, dia afaka 6 taona eo ho eo izay vao tena azo avotsotra any amin’ny toeram-ponenany voajanahary ireo biby ireo, fa tsy maintsy apetraka anaty trano (cage) aloha ary mitohy ny fanaraha-maso azy ireo.

Mitohy ny fanadihadiana

Ankoatra izay dia mila faritra arovana maromaro handray an-tanana ny famerenana azy ireny. Raha ny faritra arovana Reniala manokana dia varika miisa 5 ihany no azon’izy ireo raisina indray miaraka. 48 anefa no varika tratra tany Thaïlande, izany hoe : mila mpiara-miombon’antoka hafa, handray an-tanana ny fikarakarana azy ireo. Toy izany koa ny sokatra. Nanamarika moa ny minisitra Fontaine Max Andonirina, fa miisa 18 izao ny olona efa niakatra teny amin’ny Tendrom-pitsarana iadiana amin’ny kolikoly (PAC) tamin’ity raharaha ity. Nanome baiko ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra, hoy hatrany izy, fa tsy maintsy tadiavina ireo filohan’ny tambajotra. Efa misy tratra ireo lohandohan’ny mpisorona, araka izany, tsy ny eny ifotony ihany akory no tokony hisazy. Misy amin’izy ireo no avy any Thaïlande, Birmanie, sy Sri Lanka, hoy hatrany ny fanazavana, ka tsy isafidianana na tera-tany vahiny na Malagasy fa hampidirina am-ponja eto Madagasikara avokoa izay voaporofo fa meloka.

Lire la suite

Articles Similaires