• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Fihazonana dongom-pasika : Velaran-tany 1 280 ha any Atsimo no sahanin’ny tetikasa Mionjo

17/06/2024 13:10 © Moov.Mg

Anisan’ny asa tanterahina ao anatin’ny tetikasa Mionjo ny fihazonana ny dongom-pasika (dune de sable). Manan-danja lehibe izany, ho fiarovana ny nofon-tany. Miantraika amin’ny fambolena mantsy, rehefa manototra ny tany ny fasika. Etsy an-daniny, misarika mpizahatany ny dongom-pasika, noho izy manome endrika ny toerana misy azy.

Faritra telo

Dongom-pasika mirefy 98ha no nanatanterahana asa fihazonana, tany amin’ny kaominina ambanivohitra Belalanda, Faritra Atsimo andrefana, nandritra ny fanamarihana ny andro eran-tany ho an’ny Tontolo Iainana sy ny andro eran-tany iadiana amin’ny fiangazanana sy ny haintany. Nandray anjara tamin’izany ireo Vondron’olona Ifotony (VOI), indrindra ny vehivavy, izay nanatanteraka fambolena laloasy sy lalanda, niaraka tamin’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Asa maharitra iarahan’izy ireo amin’ny Fondation Tany Meva izany, ao anatin’ny tetikasa Mionjo. Faritra telo any amin’ny ilany atsimon’ny Nosy no anatanterahan’ny Fondation Tany Meva izany tetikasa izany, dia Atsimo Andrefana, Androy ary Anosy. Mirefy 1280 ha ny fanatanjahana dongom-pasika sahaniny amin’izany, araka ny fanazavan-dRalison Rina, mpandrindra nasiônalin’ny tetikasa Mionjo ao amin’ny Fondation Tany meva. Tanjona ny hitazonana ny dongom-pasika tsy hanototra ny voly, ny trano ary ny fasan’ny mponina mipetraka manodidina. Ao amin’ny Kaominina Belalanda manokana dia 98 isa ny fihazonana dongom-pasika sahanin’ny Fondation Tany Meva, ao anatin’ny Fokontany roa, dia Belintsaka sy Belalanda.

Tanin-janakazo

Ankoatra ny fihazonana ny dongom-pasika dia misy ihany koa ny fambolen-kazo tanterahin’ny Fondation Tany Meva, ao anatin’ny tetikasa Mionjo, amin’ny velaran-tany mirefy 1 320 ha. Etsy an-daniny, misy ny tanin-janakazo maharitra miisa 6 sy tanin-janakazo hanatanterahana ny tetikasa Mionjo, izay miisa 10, miparitaka amin’ireo Faritra telo. Misitraka tambin-karama 8 400 Ar ny mponina miara-manatanteraka ny tetikasa Mionjo amin’ny Fondation Tany Meva. Ny 5 000 Ar dia omena azy ireo ao anatin’ny fotoana iasany, ary ny 3 400 Ar kosa dia tehirizina any amin’ireo mpitahiry vola, hoy Ralison Rina. Tsara ny manamarika fa isan’ny tetikasa lehibe iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka ny tetikasa Mionjo, izay ny filoha Andry Rajoelina no isan’ny nametraka azy. Ny Banky Iraisam-pirenena kosa no mamatsy vola azy.

Fiarovana ny honko

Nandritra ity fotoana ity dia nihaona tamin’ireo mpikambana amin’ny VOI Mamelo Honko ao Belalanda ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Fontaine Max Andonirina. Fokontany miisa 8 ao amin’ny Kaominina Belalanda no ahitana ireo mpikambana ao amin’ity VOI ity ary mirefy 600 ha ny faritr’ala honko tantanan’izy ireo. Betsaka mpanjono ny Faritra Atsimo Andrefana ary isan’ny manana sisin-tany lehibe indrindra. Manampy amin’ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro ny ala honko, ahitana hazandrano miantoka ny fiveloman’ny olona ihany koa, araka ny nambaran’ny Minisitra. Noho izany indrindra dia notolorana fampitaovana ireo VOI mba hanampy azy ireo amin’ny fiarovana ny honko. Nanamafy i Dédé Stephan Jacques, mpikambana ao anatin’ny VOI Mamelo Honko, fa taninketsan’ny hazan-dranomasina ny ala honko. Miaro ny sisin-dranomasina tsy ho tototry ny tany izy ary miaro ny vatohara tsy ho tototra ihany koa. Lafo vidy anefa ireo fitaovana ilaina amin’izany fiarovana ny honko izany, ka tohana lehibe ho azy ireo izao fampitaovana izao.

Lire la suite

Articles Similaires