• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Vaovao Farany - Fil D'Infos Ofisialy
Image
Vaovao

Fomba Malagasy : Mbola mangingina ny tsenan’ny kilalao sy ny malabary ilaina amin’ny didim-poitra

13/06/2024 16:57 © Moov

Mbola azo lazaina ho vitsy ny mpanjifa kilalao sy malabary amin’izao volana jona fotoan’ny didim-poitra izao raha ny fanazavan’ireo mpivarotra. Etsy andaniny anefa dia efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoan fanatanterahana izany isika isaky ny vanim-potoana mangatsiaka toy izao. Eo anelanelan’ny volana may sy aogositra no tena fotoana fanatanterahana izany fomba malagasy izany.

Tsy mahalafo ny mpivarotra

Anisan’ny manamarika izany fotoana izany ny fanjifana ireny malabary kely sy kilalao ireny. Tsy nisy fiovana ny vidiny kanefa milaza ireo mpivarotra fa tsy mahalafo izy ireo ary mbola vitsy ireo mpanjifa. Raha ho an’ny malabary manokana dia 8 000 ariary hatramin’ny 15 000 ariary ny vidiny arakaraka ny lamba sy ny hangezany. Ny kilalao kosa dia manomboka amin’ny 5 000 ariary hatramin’ny 60 000 ariary eo ho eo. « Tsy dia nahitana fiakarany betsaka io vidin’entana io saingy ny mpividy mihitsy no mbola vitsy raha oharina amin’ny tamin’ny herintaona. Mety ilay fahefana mihitsy no tsy misy amin’ireo mpanjifa fa tamin’ny herintaona izahay nahalafo hatramin’ny 40 isan’andro kanefa tamin’ity taona ity dia manodidina ny 10 eo fotsiny no lafo », hoy ny solontenan’ireo mpivarotra.

Samy manana ny fombany

Miavaka amin’ny fombany ny Malagasy amin’ny fanatanterahana ity didim-poitra ity. Mampiavaka izany ohatra ny fanaovana azy rehefa ririnina. Amin’izao fotoana izao anefa dia efa samy manana ny fomba fanatanterahana azy ny tsirairay. Ao ireo mbola mitazona ny fomba nentim-paharazana. Eo ireo manaraka ny rivo-pivoarana ary eo ihany koa ireo mampivady ireo fomba roa ireo. Miankina indrindra amin’ny fahefan’ny tsirairay anefa izany sy ny safidiny. Etsy andaniny dia efa maro ihany koa ireo miezaka manamora ny fiainan’ireo izay tsy manam-pahefana amin’izany. Izany no niteraka ny didim-poitra faobe eny amin’ireo toerana isan-karazany manerana ny fokontany sy ireo kaominina maro. Mpanao asa soa matetika no manatanteraka ireny ka anjaran’izy ireo ihany koa no mizara kilalao ho an’ireo zaza izay vao natao didim-poitra.

Lire la suite

Articles Similaires