• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Atsimo Andrefana : Faritra mihangazana, anamarihana ny andro eran-tany ho an’ny tontolo iainana

13/06/2024 15:53 © Moov.Mg

Marihina amin’ny fomba ôfisialy mandritra ny 3 andro any Toliara, Faritra Atsimo Andrefana, ny “andro eran-tany ho an’ny tontolo iainana” sy ny “andro eran-tany iadiana amin’ny fiangazanana sy ny haintany”, izay ankalazaina miaraka amin’ity taona ity, ao anatin’ny lohahevitra hoe : « Ny tany : fananantsika, harenantsika : andao arovana tsy ho tratran’ny haintany».

Fiarovana ny tany

Tao Ankilisoafilira Toliara no nanokafana ny fankalazana nasiônalin’ireo andro eran-tany roa manan-danja ho an’ny tontolo iainana ireo. Nitarika izany ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD), Fontaine Max Andonirina, sy ny Goverinoran’ny Faritra Atsimo Andrefana, Tovondrainy Ranoelson Edally. Samy manome lanja ny antony tokony iarovana ny tany, izay miantoka ny hoavy manoloana ny fihangazanana, sy ho fiatrehana ny haintany, ny lohahevitr’ireo andro eran-tany roa ireo amin’ity taona 2024 ity. Tsiahivina fa marihina isaky ny 5 jona ny andro eran-tany ho an’ny tontolo iainana ary ny 17 jona ny andro eran-tany iadiana amin’ny fiangazanana sy ny haintany. Antony nisafidianan’i Madagasikara hankalaza miaraka ireo andro roa ireo ny fifamatorana eo amin’ny fiarovana ny tontolo Iainana sy ny ady amin’ny firosoana amin’ny tany hay sy ny fihangazanana, araka ny fanazavan’ny minisitry ny MEDD, nandritra ny fandraisam-pitenenany.

Faritra mihangazana

Mihazakazaka ny fahasimban’ny tontolo iainana eto Madagasikara, noho ny fandripahana ny ala, ny fambolena mampiasa afo, ary ny fitrandrahana sy fanondranana an-tsokosoko ny harena voajanahary. Ny fahasimban’ny tany vokatr’ireo tsindry ireo dia mitarika ny firosoana ho any amin’ny fihangazanana, toy ny tondra-drano izay manamafy ny fiforonan’ireo dongom-pasika, sy ny fisian’ny sira amin’ny tany, ka manimba ny kalitaon’ny rano, hoy ny fanazavan’ny minisitra. Raha natao ny fanadihadiana dia Faritra 13 eto Madagasikara no efa mizaka fiangazanana, araka ny nambarany hatrany, ka isan’izany ny Faritra Atsimo Andrefana. Araka ny fantatra dia mandrakotra ny 28% amin’ny velaran-tany rehetra eto Madagasikara ireo Faritra 13 ireo, izany hoe : midadasika ireo toerana ahiana ho lasa ngazana eto amintsika. Ny fahasimban’ny tany anefa dia mamotika ny seha-piharian’ny mponina, ka mitarika ny fahantrana sy fifindra-monina, noho ny mosary izay aterany. Mba hisorohana sy hampihenana izany dia misy ny politika manokana sy paikady napetraky ny fitondram-panjakana. Tafiditra ao anatin’izany ny fiaraha-miasan’ny MEDD amin’ny ministera hafa, toy ny ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, amin’ny fanatsarana ny fiainan’ireo mponina amoron-tsiraka, ny fiaraha-miasa amin’ireo mpampianatra lalàna ary koa ny mpitandro ny filaminana...

Fampitaovana ny DREDD

« Carnaval » lehibe no nentina nanombohana ny fanamarihana ireo andro eran-tany roa ireo androany, tany Toliara, narahin’ny fanentanan’ireo fikambanana tanora sy ireo mpisehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, ny amin’ny hasarobidin’ny fananana tontolo iainana mampiadana. Nisy ihany koa ny fanolorana fiara tsy mataho-dalana miisa 4, moto miisa 10, fitaovana infôrmatika, fitaovana entina miady sy miatrika ny doro tanety sy ny doro ala…ho an’ireo Fitaleavam-paritry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (DREDD) miisa 3 dia ny ao Anôsy, Androy, ary Atsimo Andrefana, vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny tetikasa Mionjo sy ny tetikasa Tefiala. Mbola mitohy rahampitso sy rahafak’ampitso ny fanamarihana ireo andro eran-tany miompana amin’ny tontolo iainana ireo.

Lire la suite

Articles Similaires