• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Syndicat Des Industries De Madagascar
Image
Vaovao

Vita Malagasy : Atokan’ny Sendikan’ny Indostria hampahafantarana ny « Label Malagasy ny Antsika » ny volana jona

13/06/2024 15:33 © Moov

Fotoana iray hampiroboroboana ny fanjifana ny vita malagasy ny volana jona iray manontolo ho an’ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara (SIM). Araka izany, natokan’izy ireo hanandratana ny vokatra malagasy manana ny « label Malagasy ny Antsika » ity volana ity amin’ny alalan’ny « campagne malagasy ny antsika ». Fotoana iray hanentanana ny olona hanjifa ny vita malagasy ihany koa izany.

Hetsika maro isan-karazany

Mitana anjara toerana lehibe amin’ny fampiroboroboana ny ara-ekonomika amin’ny firenena iray ny fanjifana ny vokatra eo an-toerana. Tsy ambakan’ireo orinasa any ivelany ihany koa ny vokatra avy amin’ireo orinasa eto. Hetsika maro isan-karazany indray no hanentanana ny malagasy rehetra hanjifa izany vita malagasy izany. Ao anatin’izany ny « road show » isaky ny sabotsy hampahafantarana ny vokatra isan-karazany. Ao ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ireo toeram-pivarotana lehibe amin’ireo lalao isan-karazany. Samy natao hampahafantarana ny vokatra manana ny « label malagasy ny antsika » avokoa izany. Nanamarika ny avy ao amin’ny SIM fa samy mahazo tombony amin’izany fomba fanjifana izany avokoa na ireo orinasa na ireo mpanjifa. Anisan’ny voamarina ao anatin’ny teny filamatry ny SIM ihany koa izany. « Tsy mahafaty antoka ny fanjifana ny vita malagasy. Samy mandray anjara amin’ny fampiroboroboana izany avokoa ny rehetra », hoy hatrany ny avy ao amin’ny SIM

Toamasina sy Mahajanga

Raha ny nahazatra hatramin’ny nisian’ity hetsika ity dia eto Antananarivo Renivohitra hatrany no hanatanterahana izany. Amin’ity taona ity dia haparitaka manerana ny Nosy ny fanandratana ny vokatra vita malagasy. Hatomboka ao Toamasina sy Mahajanga izany amin’ny alalan’ity hetsika ity hatrany. Hitovy amin’ny hetsika eto andrenivohitra ihany ity any amin’ny faritra ity.
Tsara ny manamarika fa efa maro ireo vokatra vita malagasy no efa manana ny « label Malagasy ny antsika ». Tafiditra ao anatin’izany ireo sakafo, akanjo sy fitafy isan-karazany. Ny fanjifana ireo vokatra ireo dia anisan’ny fandraisana anjara amin’ny fampiroboroboana ny to-karena anatiny.

Lire la suite

Articles Similaires