• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rovan'I Madagasikara
Image
Vaovao

Anatirova : Hampahatsiahy ny tantara ny Fikambanana Mamohaela

13/06/2024 15:15 © Moov.Mg

Mikarakara fitsidihana manokana ny eny Anatirova ny Fikambanana Mamohaela, amin’ny sabotsy 15 jona ho avy izao. Tanjona ny hampahafantatra ny tantara sy ny rakitry ny ela.

Ny fiaimpiainan'ny Mpanjaka tao Anatirova

Natao indrindra ho an’ireo liana amin’ny tantara ity fitsidihana karakarain’ny Fikambanana Mamohaela ity. Hampahafantarina an’ireo mpitsidika, mandritra izany, ny fiaimpiainana andavanandron'ny Mpanjaka tao Anatirova, nanomboka tamin-dRadama I ka hatramin'ny fiafaran'ny fanjakan-dRanavalona III. Hotantaraina ihany koa ny momba ireo Tandapa marobe izay nanompo ny Andriana tao Anatirova tamin'izany vaninandro izany, ary koa ny fizarana andraikitra teo amin'izy ireo. Hampahalalaina ny mpitsidika ireo fombafomba arahina rehefa hiditra ny Rova, ny fombafomban'ny Mpanjaka rehefa hivoaka ny Rova, ny fomba sy ny arofenitra arahina raha handray ireo solotenam-panjakana vahiny ary ny fomba fanafenana Andriana niamboho sy ny an'ireo Zanakandriana izay milevina ao amin'ny Fitomiandalana. Hampahafantarina hoe : taiza no niafina ny Mpanjaka tamin'ny fotoana nitifiran'ny miaramila frantsay ny Rova tamin'ny tafondro, ny tolakandron'ny alatsinainy faha 30 septambra 1895, sy ireo tantara hafa marobe tsara ho fantatry ny taranaka aty aoriana.

Fahatsiarovana an-tsary

Ankoatra ny fitsidihana ny Mozea sy ireo vakoka sisa tavela, dia hotsiahivin’ny Fikambanana Mamohaela an-tsary ihany koa ireo toerana sy vakoka sasany efa rava, na koa ireo efa potiky ny afo. Izao fitsidihana izao dia manana tanjona ny mba hampiainana indray ny Tantara izay nanamarika izany toerana manan-danja loatra teo amin'ny Tantaram-pirenena izany. " ...Dingana iray lehibe amin'ny ezaka fanarenana ny Rova ihany koa ny fampahafantarana sy fameloma-maso ny tantara noraketiny, ankoatra ny Famerenana ireo Tsangam-bakoka izay nolevonin'ny afo", hoy ny avy ao amin’ny fikambanana. Hiainga eo Fidirana, Atsimon'ny vavahadin'Andafiavaratra, andrefan'ny tranon-dRainimiadana, ny fotoana amin’io sabotsy io, manomboka amin'ny 9 ora maraina tsy diso. Amin'io fotoana io ihany koa dia ho hazavazavain’ny mpikambana ny momba ny fanavaozana ny Fikambanana Mamohaela, izay somary nangingina nandritra ny taona vitsivitsy.

Lire la suite

Articles Similaires