• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ministère De La Justice
Image
Vaovao

Ministeran’ny Fitsarana : Hanatsarana ny kalitaon'ny asam-pitsarana ny fihaonamben'ny Lehiben'ny Sampam-pitsarana Mahajanga sy Antsiranana

13/06/2024 12:47 © Moov

Mitohy ny asa fanatsarana ny raharaha eny anivon’ny Fitsarana. Tafiditra ao anatin’izany ny fihaonamben’ny Lehiben’ny Sampam-pitsarana momba ny ady ifanaovan'ny olon-tsotra avy amin'ny Faritany Mahajanga sy Antsiranana amin’izao fotoana izao. Lohahevitra maro no ho velabelarina sy hifanakalozan'ny mpandray anjara rehetra mandritry ny telo andro.

Fanatsarana ny fandraharahana

Tafiditra ao anatin’ny andry fahatelo ny fanatsarana ny fandraharahana eny anivon’ny Foibem-pitsarana rehetra. Manatanteraka izany ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fitsarana ny amin’ny fikarakarana ity fivoriana lehibe ity. Araka izany dia ny fanatsarana ny kalitaon'ny asam-pitsarana atolotra ny vahoaka manan-draharaha amin'ny fananana rafi-pitsarana izay tsy maintsy miantoka fitsarana mangarahara, tsy mitongilana ary haingam-piasa. Ireo Lehiben’ny Fitsarana dia manana adidy amin’izany satria izy ireo no mamoaka ny didim-pitsarana ka tsy maintsy hampitoviana ny kalitaon’ny fahaizan’izy ireo. Marihina fa efa andiany fahatelo ity hatao ity raha efa nisy izany fihaonana izany tany Fianarantsoa sy Toamasina. « Misy fomba fiasa mila ovaina mba hahafahana manatsara ny kalitaon’ny fitsarana. Izany no tena anton’izao atrikasa izao ka mba hahafahana manome fahafahampo ireo manan-draharaha », hoy ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana sady Minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana.

Fanatsarana ny fitantanana

Namafisin'ny Minisitra fa ny Fitsarana dia sampan-draharaha manome tolotra ny vahoaka ka anjaran'ny Lehiben'ny Fitsarana no maka ny fepetra hanafaingana ny fitsarana ny raharaha. Ao anatin’izany ihany koa ny mba hanakaikezana ny vahoaka ary mampanaraka ireo politika napetraky ny Minisitera foibe hahatratrana izany tanjona izany. Tsy mijanona amin'ny asam-pitsarana andavanandro ihany mantsy ny Lehiben'ny Fitsarana fa manana andraikitra fitantanana ihany koa. Araka izany dia fotoana iray hanamafisana ny fahaiza-mitantan'ireo Lehiben'ny Sampam-pitsarana io fotoana io.
Izao hetsika rehetra notanterahina izao dia tafiditra hatrany ao anatin'ny politika ankapoben'ny Fanjakana izay manome lanja ny maha olona izay andry voalohan'ny Filoham-pirenena. Ao ihany koa ny Fanjakana tsara tantana izay andry fahatelo ary ny ady amin'ny kolikoly.

Lire la suite

Articles Similaires