• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Remapsen
Image
Vaovao

Fitsaboana ny aretina mamany lava : Maimaim-poana, manomboka amin’ny saran-dalana hatramin’ny fandidiana

13/06/2024 11:09 © Moov.Mg

Azo sitranina ny aretina mamany lava, amin’ny alalan’ny fandidiana ireo vehivavy tratrany. Maimaim-poana tanteraka izany fanamboarana izany, izay tanterahina eny anivon’ny hôpitaly. Indraindray anefa, sarotra ny mandresy lahatra ireo marary hiatrika ny fandidiana.

Mandresy lahatra eny ifotony

Nanomboka ny 27 mey lasa teo ny hetsika faobe fandidiana ireo vehivavy mararin’ny aretina mamany lava, ao amin’ny Pavillon Sainte fleur Anosy, karakarain’ny Opération Fistula sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Na maimaim-poana aza ny fandidiana, dia mila manatanteraka dingana fandresen-dahatra ny Opération Fistula, mba hanaiky hiatrika ny fitsaboana ireo vehivavy. Miara-miasa amin’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka izy ireo, midina ifotony mifandray amin’ny sefo Fokontany sy ireo mpisehatra ara-pahasalamana ifotony (Agents communautaires – AC), mitady ny marary. Ho an’ny eto an-drenivohitra dia mora ihany ny mandresy lahatra, hoy i Hajarijaonina Marie Anita, miandraikitra ny fifandraisana akaiky amin’ny marary ao amin’ny Operation Fistula, fa any ambanivohitra dia mbola manjaka ny tsaho, ka izay no ilàna ny fiaraha-miasa amin’ireo tomponandraikitra eny ifotony, izay akaiky kokoa ny mponina, hoy ny fanazavany. Ankoatra ny fidinana ifotony dia nametraka laharana maitso, toy ny 034 30 818 80, ihany koa ny Opération Fistula, arahin’ny fanentanana an’onjampeo, mba handrisihana ireo olona tratran’ny aretina hanatona ny toeram-pitsaboana.

Fanaraha-maso aorian’ny fandidiana

Tsy ny fandidiana ireo vehivavy tratran’ny aretina ihany no maimaim-poana, fa ny fandraisana an-tanana amin’ny ankapobeny mihitsy. Miara-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka, toy ny Tahirin’ny firenena Mikambana momba ny Mponina (UNFPA), ny Opération Fistula, ka iantohana ny saran-dalana mandroso sy miverina ho an’ireo marary sy ny mpanaraka anankiray, ny sakafo, ny « couche » sns... Aorian’ny fandidiana dia mbola misy ny fanaraha-maso ireo vehivavy, mba hamerenana azy ireo indray eo anivon’ny fiarahamonina sy hiainany fiainana mendrika. Araka izany, tsy tokony hisalasala ireo vehivavy tratran’ny aretina mamany lava hanatona ireo hôpitaly manatanteraka fandidiana. Raha tsiahivina dia vokatry ny fihetsehan-jaza naharitra loatra ny aretina mamany lava, amin’ny ankapobeny, ka lasa mahatonga ny fivalanan-drano hikoriana foana, fa tsy voatazona ao anatin’ny tatavia. Nanomboka ny taona 2014 ny Opération Fistula no niara-niasa tamin’i Madagasikara, tamin’ny fandraisana an-tanana ireo vehivavy tratran’ny aretina mamany lava.

Lire la suite

Articles Similaires