• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Zon’ny olona varira : Nisy fivoarana tao anatin’ny 10 taona, saingy tsy ampy

13/06/2024 10:01 © Moov.Mg

Efa mba nisy ny dingana vita teto Madagasikara, momba ny fisitrahan’ireo olona manana toe-tena varira ny zony. Na izany aza, mbola tsy feno izany ary mbola miaina anaty horohoro hatrany ny olona varira, no sady mbola miaina fanilikilihana.

Toy ny olona rehetra

Marihina androany ny andro iraisam-pirenena ho fanentanana momba ny albinisma. 10 taona amin’ity taona 2024 ity no nanamarihana izany andro izany, ho fiaraha-mientana amin’ireo olona tratran’ny albinisma, izany hoe : manana toe-tena varira. « Folo taona niarahana nandroso », no lohahevitry ny fankalazana amin’ity taona ity. Na mbola eo tokoa aza mantsy ireo hevi-draikitra sy finoanoam-poana momba ny olona varira, dia tsy azo lavina fa efa mba mihamaro ihany koa ireo olona mahalala ny tena marina. Raha tsiahivina dia tsy vokatry ny mosavy, na vokatry ny heloka nataon’ny ray aman-dreny, araka ny finoan’ny sasany no mahatonga ny toe-tena varira. Ny tsy fahatomombanana hatrany am-piforonana eo amin’ny sela manome loko ny maso, ny volo sy ny hoditra no mahatonga azy. Araka izany, tahaka ny olona rehetra ihany ny olona varira, fa tsy manana hery miafina, na koa mitera-doza ho an’ny fiarahamonina.

Efa lany ny tolo-dalàna

Ireo finoanoam-poana momba ny olona varira ireo anefa no antony mahatonga ny fakana an-keriny sy famonoana azy ireny. Raha ny antontan’isa nomen’ny fikambanana Albinos Madagascar, ivondronan’ireo Malagasy manana toe-tena varira, dia nahatratra 21 isa ireo olona varira nalaina an-keriny teto Madagasikara tamin’ny taona 2023, ka ny 5 tamin’ireo no namoy ny ainy. Niisa 25 isa kosa izany trangana fakana an-keriny izany, tamin’ny taona 2022, ka ny 7 no namoy ny ainy ary ankizy ny ankamaroany. Eo anatrehan’izany dia dingana tsara vita ny nandanian’ireo Parlemantera roa tonta, teo anivon’ny Antenimierampirenena sy Antenimierandoholona, ny tolo-dalàna hiarovana ny olona varira eto Madagasikara, tamin’ny volana desambra 2023. Ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny Distrikan’i Betroka, Randrianasolo Jean Nicolas moa no nanolotra ity tolo-dalàna laharana faha 001-2023/PR ity.

Misy ireo sahy mijoro

Mbola maro amin’ireo olona varira no afenina, na miafina, satria menatra, na matahotra ny ho alaina an-keriny, ho tapahan-doha, na ho tratran’ny halatra voamaso, noho ny finoanoam-poana. Misy ihany koa no tsy afaka mianatra, noho ny fanilikilihan’ny sekoly sy ny mpiara-mianatra, ao ireo tsy manana velon-tena mendrika satria tsy raisin’ny orinasa… Santionany amin’ireo ady mbola atrehin’ny olona manana toe-tena varira ireo. Misy kosa anefa ireo izay tsy menatra sy tsy matahotra ny mijoro, miaro ny zon’ny olona manana fahasamihafana, toa an’i Tianarivelo Gilardy Totozandry. Tamin’ny volana aprily lasa teo ity tovolahy manana toe-tena varira ity no nantsoin’ny UNICEF Madagascar ho mpitondra tenin’ireo ankizy sy tanora miaina miaraka amin’ny fahasamihafana, indrindra ireo olona varira. Efa nisehatra tao anatin’izay fiarovana ny olona tratran’ny fanilikilihana izay foana izy ary nilaza fa mbola vao mainka hanamafy ny ady amin’ny hevi-draikitra momba ny olona varira.

Lire la suite

Articles Similaires