• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Madagascar Hôtel Consultant
Image
Vaovao

Fampiroboroboana ny fizahantany : Lesoka ny fahavitsian’ny olona matihanina ao anatin’ny sehatra

13/06/2024 09:56 © Moov

Tsy ampy olona matihanina ny sehatry ny fizahantany sy ny fikarakarana trano fandraisam-bahiny ary ny fikarakarana sakafo. Anisan’ny votoantin-dresaka nandritra ny fifanakalozan-kevitra natokana ho an'ny fizahan-tany, fikarakarana hotely sy sakafo omaly izany. Maro ny tanora miditra amin’io tontolo io saingy tsy ampy fiofanana hoy ireo mpandray anjara.

Mila fianarana

Anisan’ny sehatra miroborobo amin’izao fotoana izao ity. Maro ihany koa ireo tanora no maniry ny hisehatra amin’izany. Etsy andaniny anefa dia lesoka amin’ny fampiroboroboana azy ny fahamaroan’ireto tanora tsy ampy fiofanana miditra miasa amin’io sehatra io. Anisan’ny mahamaika ny tanora ny fitadiavana asa kanefa tsy manana fahaizana sy diplaoma mikasika izany akory. « Mila hianarana izany mitantana trano fandrasiama-bahiny sy hôtely izany ary indrindra ny manodidina ny fampisakafoanana. Mila fahaizana io raha te hampitombo ny mpizahatany ho tonga aty ary ihany koa ho tamana. Ilaina mifanaraka amin’izany ihany koa ny fanaovana fampiharana maharitra mba hahaizana tsara ilay asa », hoy ny tompon’andraikitra ny orinasa mandray mpiasa amin’ireo sehatra ireo. Mizara roa mazava tsara araka izany ny mahatonga ity lesoka ity. Ny sasany tsy manana fahaizana mihitsy fa miroboka amin’ilay asa satria mety manana ny filàny manokana. Etsy ankilany indray ireo nianatra fa tsy ampy fampiharana ka tsy mahalala akory izay tena asa miandry azy. Samy mahatonga ny mpizahatany mihemotra avokoa izany raha ho antsika eto Madagasikara. Araka izany dia ny famporisihina ny tanora hianatra sy fanentanana ny mpampiasa hanamafy ny fahaizan’ireo mpiasany dia mandray anjara amin’ny tanjon’ny Madagasikara ny hampiditra mpizahatany 1 tapitrisa hatramin’ny 2028.

Mila sokafana ny habakabaka

Anisan’ny olana tsapan’ireto mpandray anjara ireto ihany koa ny fikatonan’ny sidina anabakabaka anatiny. Kaompaniam-pitaterana iray ihany no miantoka ny fivezivezena anatiny amin’izao ka mahatonga ny tsy fahampian’ny fiaramanidina izany. « Mahatonga ny fahataran’ny mpizahatany amin’ireo tetiandrony io tsy fahampian’ny fiaramanidina io ka lasa vitsy izy ireo no mandeha aty. Etsy andaniny dia mbola lafo ihany ny sarany », hoy ireo mpisehatra amin’izany. Anisan’ny hangatahan’ireto mpisehatra ireto araka izany ny hanokafana any habakabaka mba hahafahan’ireo kaompania hafa miasa eto an-toerana.

Lire la suite

Articles Similaires