• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Msk
Image
Vaovao

Iray volan’ny Teny Malagasy : Fifaninam-pirenena ho an’ny Literatiora 2024

12/06/2024 20:18 © Moov

Zava-dehibe ny fanomezan-danja ny literatiora sy mampiroborobo ny teny malagasy amin’ny alalan’ireo hetsika ara-kolotoraly sy ara-kolontsaina

Misy fifaninanana ara-kolontsaina karakarain’ny ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina mandritra ny iray volana natokana ho an’ny teny Malagasy. Ahitana sokajy telo izany fifaninana izay : Amboaran-tononkalo, tantara foronina, tantara ana onjam-peo. Misy ireo lohahevitra hiompanan’ny asa soratra izay mahakasika ny ady amin'ny fanolanana sy ny fandrindrana fiainam-pianakaviana. Misokatra ho an’ny rehetra nanomboka ny 1 jona 2024 ary tsy hifarana raha tsy ny 1 janoary 2025 ny fisoratana anarana amin’izany. Malalaka ho an'ny rehetra izy io na ho an’ire eto Madagasikara na any ivelany. Ho hita manerana ireo Foibem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina manerana ny Nosy ary ao amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy sy eran'ny Masoivohon'i Madagasikara any ivelany koa ireo fitsipika sy ny fisy fisoratana anarana.
Fanontana boky boky miisa 500 avy ho an'ny mahazo loka voalohany amin'ny tantara foronina sy Amboaran-tononkalo. Lelavola 1 tapitrisa ariary kosa ho an'ny tantara an'onjampeo. Volana jona 2025, mandritra ny iray volan'ny teny malagasy no hizarana ny loka. Tanjon’ny fanomezan-doka ny fanandratana hatrany ny literatiora sy hampiroboroboana ny teny malagasy na aorian’ny fifaninanana aza. Amporisihina ao anatin’ity fifaninana ity moa ny fampiasana fitenim-paritra.

Lire la suite

Articles Similaires