• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Metfp
Image
Vaovao

Fanadinam-panjakana BEP : Namafisina ny fiarovana ny laza adina naparitaka manerana ny Nosy

12/06/2024 16:19 © Moov

Efa naparitaka manerana ny Nosy nanomboka ny sabotsy teo ny laza adina amin’ny fanadinam-panjakana Brevet d’Etude Professionnel (BEP). Nanamafy ny fiarovana ny laza adina ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa (METFP). Izany no natao mba hisorohana ny fiparitahan’ny laza adina mialohan’ny fotoana.

Niara-niasa tamin’ny Paositra

Anisan’ny fepetra noraisina tamin’ny fanapariahana ny laza adina tamin’ity taona 2024 ity ny fiaraha-miasa tamin’ny Paositra Malagasy. « Tsy nandeha irery fa niara-niasa tamin’ny Paositra izahay. Any azo antoka kokoa ny fandefasana ireo laza adina ho tody soa amantsara any amin’ny toerana handefasana azy. Voaaro tsara ihany koa izy ireo miaraka amin’ireo matihanina ireo », hoy ny Sekretera Jeneralin’ny METFP, Ralaimazava Johary Andriamahery. Amin’izao fotoana izao dia efa tonga any amin’ny toerana handefasana azy daholo ireo laza adina rehetra.

Rehefa any an-toerana indray dia mbola voaaro tsara izy ireny. Miara-miasa amin’ny zandarimaria mantsy ny ministera. « Apetraka avy hatrany any amin’ny mpitandro filaminana manakaiky ny foibem-panadinana ny laza adina vantany vao tonga ary ireo « chef de centre » sy ireo tompon’andraikitry ny sekoly irery ihany no afaka maka izany rehefa amin’ny datim-panadinana », hoy hatrany ny fanazavana.

Mpianatra rehetra manerana ny Nosy

Handray anjara amin’ity fanadinam-panjakana ity avokoa ireo mpianatra nisafidy ny làlam-pianarana mifototra amin’ny fanofanana arak’asa. Anisany amin’ireo fanadinam-panjakana atrehin’ireo mpianatra ity. Mbola misy ihany koa ny « Certificat de Fin d’Apprentissage » (CFA), « Certificat d’Aptitude Professionnelle » (CAP) ary ny « Certificat d’Aptitude Professionnelle Spécialisée » (CAPS). Samy manana ny safidiny ny mpianatra ao amin’ny fanofanana arak’asa amin’ireo rehetra ireo rehefa tapitra ny taom-pianarany araka ny sehatra nidirany. Etsy andaniny dia tsara hatrany ny voka-panadinana amin’ity fanadinam-panjakana BEP ity. Raha tao anatin’ny dimy taona nifanesy hatramin’ny taona 2019 dia tsy latsaky ny 70% ny taham-pahafahana manerana ny Nosy.

Lire la suite

Articles Similaires