• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rfi
Image
Vaovao

Antananarivo Renivohitra : Tsy hiverina hiasa mihitsy ireo mpiasan’ny SMA raha tsy voaloha ny karama

12/06/2024 15:21 © Moov

Nitohy androany ny fitokonana nataon’ireo mpiasan'ny orinasa monisipaly momba ny fahadiovana (SMA). Tsy hiverina hiasa izy ireo raha tsy voaloha ny karama. Efa nampanantenaina androany moa izany raha ny voalazan’ireo mpiasa saingy mbola tsy tonga ihany.

Leo fitapitaka sy lainga

Nilaza ireto mpiasan’ny SMA ireto fa efa tokony androany maraina izany karama izany no voaray raha ny fanambaran’ny Tale Jeneralin’io orinasa io. Tsy mbola nivaha ny olana hatramin’izao ka tsy hiverina hiasa izy ireo. « Leo fitapitaka izahay. Na avy amin’ny Tale Jeneraly izany na ny PDS. Samy nilaza izy ireo fa ho aloa ara-potoana ny karamanay kanefa tara foana izany. Tsy maintsy misy fifanarahana hatao vao miverina miasa eo indray izahay », hoy ny solontenan’ireo mpiasa. Marihina anefa fa ny tsy fiasana iray andron’ireto mpiasan’ny SMA ireto dia mampivangongo indray ny fako ka manano sarotra ny mamerina izany rehefa avy eo. Anisan’ny hanaovan’izy ireo antso avo ihany koa ny mba hilazana azy ireo ny tena zava-misy marina ao anatin’ny Kaominina. « Efa renay hoe efa talohan’ny fifidianana no efa vonona ny karama. Ny mpiasan'ny Kaominina sy ny polisy efa nandray ny azy avokoa talohan’io ka ahoana ny anay no atao farany toy izao foana », hoy hatrany izy ireo. Araka izany dia mitady ny mangarahara ireto mpiasan’ny SMA miisa 800 ireto mba hahafahany misitraka ny zony.

Tara fandoavam-bola ny JIRAMA

Nanazava ny PDS an’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra nandritra ny famaranana ny fivoriana ara-potoanan’ny Filan-kevitra Monisipaly androany mahakasika ny antony tsy nahefana ny karaman’ny mpiasan’ny SMA. « Voaloan’ny JIRAMA tsara ireo trosa tamin’ny telo volana teo aloha ny hetra momba ny rano efa avy nampiasaina (RUE). Taorian’izany anefa dia mbola tsy voalohan’izy ireo indray ny volana aprily sy mai ka tsy ampy ny vola mitontona ao anatin’ny kitapombolan’ny SMA », hoy izy tamin’ny fanazavany. Marihina fa io RUE io no natokana handoavana ny karaman’ny mpiasa raha toa ka ROM no hanefana ny solika hampiasain’ireo fiara be. Nanamarika anefa ny tenany fa efa nifampiresaka tamin’ny Tale Jeneralin’ny orinasa JIRAMA ka tokony ho efainy alohan’ny faran’ity herinandro ity izany hahafahana mandoa ny karaman’ireo mpiasa.

Vahaolana maharitra

Miverimberina matetika ity olana ity. Na ireo mpiasa manao fitakiana na ireo mpanolotsain’ny Kaominina dia samy miandrandra vahaolana maharitra. Anisan’ny nangatahan’ireto mpiasa ireto ny hiverenan’ny SMA any amin’ny Ministera. Ireo avy ao amin’ny Kaominina kosa dia mitady fifampiresahana sy fijerena ifotony ny olana misy ka hamahana izany farany izay haingana. Tokony heverina izany rehetra izany mba ho tombontsoan’ny mponina rehetra sy ireo mpiasa.

Lire la suite

Articles Similaires