• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Fanabeazana : Hifantoka amin’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy ny sekoly

12/06/2024 15:00 © Moov.Mg

Voalaza matetika fa marary ny fanabeazana eto Madagasikara. Etsy an-daniny, tsy azo ihodivirana amin’ny sehatra rehetra ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Manoloana ireo fanamby atrehin’i Madagasikara dia nisy ny fivoriana iraisam-pirenena notanterahina teto Antananarivo, miompana amin’ny rafi-panabeazana sy ny tontolo iainana.

Fanabeazana ara-tontolo iainana

Mandritra ny 4 andro no anatontosana ity fivoriana iraisam-pirenena ity, mandritra ny efatra andro. Lohahevitra nifantohan’ny fihaonana ny famaritana ny fandaharam-pianarana, hampiroboroboana ny fanabeazana ny fampandrosoana lovain-jafy eny anivon'ny sekoly Malagasy. Voaresaka, araka izany, ny fampidirana ny “fanabeazana mifantoka amin’ny fandrosoana lovainjafy” amin’ny rafi-pampianarana eto Madagasikara sy ny famokarana fitaovam-panabeazana ara-tontolo iainana mifandraika amin’ny sokajim-pampianarana sy ny zava-misy eto amintsika. Nandritra ny fandraisam-pitenenany no nilazan'ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Fontaine Max Andonirina, fa zava-dehibe ny fampidirana ny fanabeazana sy ny fanentanana ara-tontolo iainana ao anatin’ny rafi-pampianarana, mba hahafahana mitaiza ny tanora malagasy amin’ny fikajiana ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy. Tafiditra ao anatin’ny sori-dalana fototry ny ministeran’ny Tontolo Iainana rahateo ny fampiroboroboana ny fanabeazana ara-tontolo iainana.

Paikady sy tetika vaovao

Avy tamin’ny fiaraha-miasa amin’ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana lovain-jafy, ny "Agence Universitaire Francophone" (AUF) ary ny "Agence Française de Développement" (AFD) ity fivoriana iraisam-pirenena ity, izay tafiditra indrindra ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa « Apprendre », iarahana amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Nandray anjara tao anatin’izany ireo manam-pahaizana mpisehatra amin’ny fanabeazana sy ny mpampianatra mpikaroka, nidinika momba ny hanatsarana ny rafi-panabeazana eto Madagasikara ary nanoritra paikady sy tetika vaovao mahakasika ny fampianarana ny siansa sy ny fanabeazana ho amin'ny fampandrosoana lovain-jafy.

Lire la suite

Articles Similaires