• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Jirama
Image
Vaovao

Olan’ny famatsian-drano : Miroso amin’ny fampifandimbiasana ny fitsinjarana rano ny JIRAMA

12/06/2024 14:13 © Moov.Mg

Nisesisesy tato ho ato ny fitokonana ataon’ny mponina eto Antananarivo renivohitra, vokatry ny tsy fisitrahan’izy ireo rano, izay misy mahatratra andro maromaro mihitsy. Vahaolana aroson’ny orinasa JIRAMA amin’izany ny fampifandimbiasana ny fitsinjarana rano.

Fahanteran’ny fotodrafitrasa

Faravohitra, Ankadifotsy, Ankatso, Andravoahangy, Anjanahary… Santionany amin’ireo fokontany nahitana fihetsiketsehana, izay naneho ny tsy fahafalian’ireo mponina, tsy nisitraka rano nandritra ny fotoana maro ireo. Efa niaiky rahateo ny JIRAMA fa misedra olana amin’ny famatsian-drano ny eto Antananarivo sy ny manodidina. Any ho any amin’ny 60.000m3 isan’andro ny tsy fahampian’ny vokatra vatsiana, noho ny tsy fahatomombanana (pannes) matetika eo amin’ny lafiny famokarana sy fitsinjarana rano, vokatry ny fahanteran’ny fotodrafitrasa, hoy ny fanazavana nomen’ity orinasa misahana ny jiro sy rano eto Madagasikara ity. Hevitra aroson’izy ireo, noho izany, ny fampifandimbiasana ny fitsinjarana rano amin’ny « sites » miisa sivy : Mandroseza, Ankatso, Alasora, Ambohidrapeto, Ampitatafika, Anosiala, Ankaraobato, Iavoloha, Analamahitsy. Ampiarahina amin’ny fitsinjarana rano amin’ny kamiao « citernes » izany. Mba tsy hisian’ny tombo sy hala dia hampifandanjaina ny tambajotra mpitsinjara rano.

Rano ambanin'ny tany

Etsy an-daniny, tohizina ny fananganana fotodrafitr’asa famokaran-drano vaovao, mba hanamafisana ny efa misy, izay iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka. Tsiahivina fa taorian’ny nanendrena ny tale jeneraly vaovaon’ny JIRAMA, Ron Weiss, dia efa nisy ny fidinana ifotony nataon'ny Ministeran'ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana niaraka tamin’ny JIRAMA, ho fijerena ny fototry ny olan'ny rano eto Antananarivo ary koa mba ho fiaraha-mikaroka vahaolana fohy sy lavitr'ezaka. Isan’ny nivoitra tamin’izany, fa ankoatra ireo « forages » 46 izay efa natomboka tamin’ny taona 2021, dia misy ihany koa ny tetikasa « forages » 7 hapetraka eto Antananarivo, mba ahafahana mitrandraka ny rano ambanin'ny tany, ho fanalefahana ny olan'ny rano.

Lire la suite

Articles Similaires