• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ong Bel Avenir
Image
Vaovao

Kolontsaina : Ho masoivohon’ny kolontsaina sy ny mozika mandritra ny Lalao Olimpika any Paris ny Bloco Malagasy

12/06/2024 14:11 © Moov

Hitana anjara toerana lehibe mandritra ny Lalao Olimpika izay hatao any Paris ny 26 jolay hatramin’ny 11 aogositra ireo tovovavy avy ao amin’ny Bloco Malagasy. Ho masoivohon’ny kolontsaina sy ny mozika izy ireo mandritra izany. Hitondra ny anjara biriky amin’ny fanapariahana ny kolontsaina Malagasy ao Atsimo Andrefana izy ireo amin’izany.

Hanamafy ny fahasamihafana

Lalao ara-panatanjahantena ity lalao Olimpika amin’ity taona 2024 ity. Anisan’ny hanamarika izany ihany koa anefa ny hetsika ara-kolontsaina maro. Anisan’ny handray anjara amin’izany ireto solontenantsika Malagasy ireto. Tsy ho mpandray anjara fotsiny fa ho masoivoho mihitsy ny toerana hisy azy ireo amin’izany. Araka izany dia manana adidy ny hizara ny hafatra momba ny firahalahiana sy ny firaisankina izy ireo. Ho fotoana manan-tantara ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ny Lalao Olympika 2024 izay hankalazana ny fahasamihafàna sy ny firaisankina amin’ny alalan’ny zavakanto. Haneho ny mampiavaka ny zava-kanto avy eto Madagasikara izy ireo mandritra izany ary ho marika fa afaka mifandray hatrany hatrany ny olona samihafa maneran-tany amin’ny alalan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina.

Fiomanana lehibe

Manan-danja izany fahazoana ny fanasana hanatanterahana ny Lalao Olimpika izany. Araka izany dia efa anatin’ny fanomanana tanteraka izy ireo amin’izao fotoana izao. Marihina ihany koa fa efa eo ho eo amin’ny iray volana eo sisa dia hotanterahina ity lalao ity. Mialohan’ny handehanana’izy ireo ihany koa dia manamafy ny fahaizan’izy ireo amin’ny alalan’ny fifanakalozana amin'ireo tanora avy amin'ny fikambanana ERA 93 Tchoukball izy ireo. Tanterahina amin’ny alalan’ny « visioconférence » izany fifanakalozam-pahalalana izany. Fikambanana iray ao anatin’ny fanomanana ny Lalao Olimpika ireto tanora ireto. Ny anjara andraikitr’izy ireo amin’izany dia ny handray ireo ankizy vavy miisa 11 avy ao amin’ny Bloco Malagasy. Hampita amin’ireto farany ny toetsain’ny firaisankina sy ny fihavanana ilain’ity lalao ity.

Lire la suite

Articles Similaires