• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Metfp
Image
Vaovao

Fampiofanana : Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny lasi-panofanana momba ny angovo azo havaozina

12/06/2024 10:38 © Moov

Volana maro no nandinihana ity lasi-panofanana (référentiels de formation) mikasika ny angovo azo havaozina ity. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy omaly talata izany. Natolotra ny Ministeran’ny angovo sy ny akoran’afo mba hampiharina amin’ireo tetik’asa rehetra mikasika izany. Mpikaroka sy manam-pahaizana maro no niara-nisalahy nanatontosa izany boky izany.

Feni-pampianarana momba ny angovo azo havaozina

Voarakitra ao anatin’io boky lehibe io ny feni-pampianarana tokony hampiharin’ireo sekoly rehetra manofana momba ny angovo azo havaozina. Tafiditra ao anatin’izany na ireo sekoly miankina amin’ny fanjakana na ireo sekoly mahaleo tena. « Nanomboka tamin’ny taona 60 dia efa napetraka ho fanohitry ny fampandrosoana ekonomika ny fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa. Toy izany koa ny resaka angovo izay tsy afaka misaraka amin’ny fampandrosoana ”, hoy ny fanamarihan’i Johary Ralaimazava, sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa. Tanjona ny hananantsika teknisianina matihanina amin'ny fikirakirana ireo fitaovana mandeha sy mampiasa ny herin'ny masoandro (Système solaire photovoltaïque). Marihina fa Teknisianina miisa hatramin'ny 500 no ilaina amin’ny fisian’ity fomba fampianarana vaovao ity. Mialoha ny fiafaran'ity taona 2024 ity kosa no hanomboka ny andiany voalohany amin'ny fiofanana.

Andramana amin’ny sekoly roa

Sekoly roa no hanandramana ity lasi-panofanana vaovao ity. Dia ny Lisea teknika eo Alarobia sy any Toliara izany. Haparitaka manerana ny Nosy ihany koa izany aorian’ity andrana ity. Araka izany dia sehatra iray afaka hamorona asa vaovao sy betsaka ho an’ny tanora indray ity tetikasa ity. Fiaraha-miasan’ny Ministeran'ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH) ary tohanan'ny Tetikasa GIZ PERER ity tetik’asa ity. Tanjona iraisana ny fanatsarana sy fampitomboana ny famokarana herinaratra. Mifandray amin’izany ihany koa ny fampiakarana ny tahan’ny vahoaka misitraka herinaratra ho fampandrosoana an'i Madagasikara.

Natomboka tamin’ny volana janoary ny famolavolana azy ity niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka avy amin’ny Coopération Allemande (GIZ) sy ny IECD. Maro ny dingana narahana tamin’ny famolavolana azy. Marihina fa niarahana hatrany tamin’ireo matihanina amin’io sehatr’asa iray io izany. Tanjona ny ahafahana mametraka rafi-piofanana mifanaraka amin’ny zava-misy sy ny filan’ny tsenan’ny asa.

Lire la suite

Articles Similaires