• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Safidy
Image
Vaovao

Firaisamonim-pirenena Safidy : Nametraka fitoriana miisa 4 eny amin’ny HCC

11/06/2024 09:05 © Moov.Mg

Nametraka fitoriana miisa 4 anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny sampana fanaraha-maso ny fifidianana Safidy, tamin’ny zoma 7 jona 2024, araka ny fampahafantarana nataon’izy ireo.

Nandray anjara tamin’ny fanaraha-maso ny fifidianana Solombavambahoaka notontosaina ny 29 mey lasa teo ity firaisamonim-pirenena ity, ka ireo fitoriana napetraka dia vokatry ny fanaraha-maso sy famakafakana lalina nataon’ireo mpisehatra mpikambana ao anatiny, mikasika ny fizotran’izany fifidianana izany, hoy ny Safidy.

Fitoriana noho ny fampihorohoroana

Ny fitoriana miisa telo dia mikasika ny trangana fanitsakitsahana ny fenitra fototra amin’ny fampielezan-kevitra. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiasana ny fahefam-panjakana sy ny olom-panjakana. Mangataka ny fanafoanana ny vato azon’ireo kandida amin’ireo fari-pifidianana voakasik’izany ny Safidy. Ny fitoriana iray kosa dia mangataka fanafoanana ny fifidianana tamin’ny birao-pifidianana maromaro, noho ny tsy fisian’ny sonia roa ao an-damosin’ny biletà tokana nampiasaina. Izany anefa no fepetra mampanan-kery ny latsabato eo anivon’ny birao-pifidianana. Ankoatra ireo dia nilaza ny Safidy fa nametraka fitoriana eo anivon’ireo Fitsarana ady heloka, mba hanenjehana ireo tomponantoka amin’ny fanohitohinana sy fampihorohoroana nihatra tamin’ireo mpanara-masony, tao anatin’ity zotram-pifidianana Solombavambahoaka ity.

Mitohy ny fanaraha-maso

Nilaza ny sampana fanaraha-maso ny fifidianana Safidy fa ny fitoriana napetraka rehetra dia mifandraika amin’ireo tsy fanarahan-dalana hita sy voamarina nandritra ny fifidianana, izay misy fiantraikany mivantana amin’ny fahamarinan’ny safidim-bahoaka. Napetraka, noho izany ny fitoriana, mba hiantohana ny fanajana ny fenitra demôkratika. Notsiahivin’ny Safidy ihany koa fa ny lalàna fehizoro laharana 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018, mikasika ny fitondrana ankapobeny ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka, dia manome zo ireo mpanara-maso tera-tany Malagasy, nahazo fahazoan-dalana avy amin’ny Vaomieram-pirenena Mahaleo Tena misahana ny fifidianana (CENI), hametraka fitoriana mahakasika ny fifidianana. Nampahafantatra moa ity firaisamonim-pirenena ity fa mitohy hatrany ny fanaraha-maso ataon’izy ireo, amin’ny dingana rehetra amin’ny fifidianana, ka anisan’izany ny fifanolanana ara-pifidianana, ny faneken’ny mpisehatra rehetra ny voka-pifidianana ary koa ny tontolo ara-politika sy ara-pahalemana aorian’ny fifidianana.

Lire la suite

Articles Similaires