• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena
Image
Vaovao

Hazakazaka ara-pirahalahiana : Fanatanjahantena, mariky ny firaisankina

10/06/2024 22:27 © Moov

Mitohy hatrany ny fankalazana ny faha 64 taona nahazoan'ny Malagasy ny fahaleovantena. Nisy androany ny fiaraha-mientana tamin'ny alalan'ny hazakazaka ara-piralahiana. Mpikambana avy ao anivon’ny governemanta , solontenan’ny tafika, ary olon-tsotra maro no nandray anjara tamin’izany

Nanomboka teo amin’ny Tranombokim-pirenena ny hazakazaka ary nifarana tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina. Ny Ministry ny raharaham-bahiny sady ministry ny serasera Mpisolo toerana niaraka tamin’ny minisitrin’ny folohalindahy ary ny minisitry ny fambolena sy ny fiompiana no nanokatra ny lanona. "Cross de cohésion", no nilazana azy ho fanamafisana ny firaisankina, ahafahana miara-mientana amin'ny fampandrosoana ny tanindrazana. Ity hetsika ity ihany koa no nanamarika ny fanokafana ny lalao ara-panatanjahan-tena rehetra mandritra izao fankalazana ny Fetim-pirenena Malagasy izao.

Malagasy miara-mihombom-po

Nahafinaritra sy nahavelom-bolo ny fiaraha mientan’ireo rehetra tonga nandray anjara tamin’ny hazakazaky ny firaisankina. Fomba iray miavaka nanehoana ny fankalazana ny faha-64 niverenan’ny fahaleovantena an’i Madagasikara no sady fankalazana ny faha 60 taona nijoroan’ny folohalindahy no tontosa soa aman-tsara. Kendrena hitondra fiombonam-po, firaisan-kina sy firaisan-tsaina ho an’ny Malagasy ny hetsika rehetra. « Madagasikara mandroso, Malagasy miara mientana amin'ny Fitiavan-tanindrazana » moa no lohahevitra napetraka. Tao anaty lahateniny no nanambaran’ny ministry ny folohalindahy ny hitazomana ireo herijika ny tsirairay ho mariky ny fitiavan-tanindrazana. Tao aorin’izay hazakazaka « Cross de cohésion » nisy ny « Zumba ».

Lire la suite

Articles Similaires