• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Raharaha Serge Cerisse : Tsy mpiray tsikombakomba amin'ny ny Talen'ny Viseo

10/06/2024 17:39 © Moov

Nanatanteraka ampamoaka, tamin'ny alalan'ny taratasy nosoratany tany am-ponja, i Serge Cerisse, fantatra amin'ny solon'anarana hoe Sergio.

Mpanao afera ikoizana

Tamin'ny volana feboary taona 2022 no nosamborina ilay teratany karana antsoina hoe Serge Cerisse. Maromaro ny vesatra iampangana azy, toy ny fanondranana volamena an-tsokosoko, fivarotana zava-mahadomelina, pasipaoro sandoka sy kolikoly. Vao tsy ela akory izay dia nanao ampamoaka ny tenany tany am-ponja, ka nisy ny taratasy (nisy ny sora-tanany) izay niparitaka. Tamin'izany indrindra no nanononany anaran'olona maromaro, ka nisy tompon'andraikitra ambony amina orinasa tsy miankina sy solombavambahoaka. Manamafy nefa ny VISEO fa tsy mpiray tsikombakomba amin'io mpandraharaha io ny talen'izy ireo. Mpitory aza no toerana misy io orinasa io ankehitriny, noho ny tsy fanajan'i Sergio ny fifanaraham-piaraha-miasa madio, mikasika ny fivarotana fiara.

Mpandraharaha nivadi-pitokisana

Anisan'ireo mpivarotra fiara (revendeur) tao amin'ny orinasa VISEO i Serge Cerisse talohan'ny nisamborana azy. Efa voasambotra io mpandraharaha io vao nametraka fitoriana ny VISEO, noho ny fivadiham-pitokisana. Mitentina 1,200 miliara ariary eo ho eo mantsy ny vola vidina fiara miisa 13 izay mbola tsy voalohany. Manaraka akaiky ity raharaha ity ny avy ao amin'ny VISEO satria hatreto dia mbola tsy nivoaka ny didim-pitsarana mikasika an'i Serge Cerisse. Mbola fitazomana vonjimaika no ampiharina na dia any Tsiafahy aza ny tenany.
Anisan'ireo mpitory marobe an'i Serge Cerisse ny VISEO, satria maro ihany koa ireo nanan-draharaha taminy.Misy ireo voafitaka tsotr'izao, ankoatra ireo raharaha lehibe izay tena iampangana azy.

Lire la suite

Articles Similaires