• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Oecfm
Image
Vaovao

Tontolon’ny asa : Tsy handefitra amin’ireo misandoka ho mpahay kaonty sy ara-bola ny holafitra

10/06/2024 15:45 © Moov

Manana andraikitra lehibe eny amin’ny orinasa rehetra ny « expert-comptable ». Maro ireo sedra lalovan’izy ireo amin’izao fotoana izao noho ny fisian’ireo mpisandoka. Araka izany dia tsy handefitra amin’ny mpisandoka ao anatin’ity sehatr’asa ity ny holafitry manam-pahaizana momba ny kaonty sy ny vola (Ordre des Experts Comptables et Financiers de Madagascar – OECFM). Izany no ady lehibe ho ataon’izy ireo, araka ny voalaza tamin’ny lanonam-pianianan’ireo mpianatra miisa 12 vaovao nivoaka.

Hiara-hiasa amin’ny SAMIFIN

Hiara-hiasa amin’ny SAMIFIN ity holafitra ity amin’ny famongorana ireny mpisandoka ireny. Nanamafy ireto mpikambana ao amin’ny holafitra ireto fa asa manana ny hajany sy ny lanjany ary indrindra ny fitsipika mifehy azy manokana ny « expert-comptable ». Araka izany dia tsy tafiditra ao anatin’izany ireo izay tsy ao anaty holafitra ary indrindra indrindra, tsy mahafantatra ny etikan’ny fomba fiasa. Vokatr’izany dia mety hanaratsy ny fomba fiasa izany ka izay indrindra no antony hamongorana hatramin’ny farany ireny mpanao ratsy ireny. « Ao anatin’ny tambazotran-tserasera sy any amin’ny aterineto rehetra any dia miparitaka ny olona misorona ho « expert-comptable ». Ho arahi-maso akaiky izy ireny ka tsy maintsy ho fongorina izany », hoy ny Sekretera Jeneralin’ny holafitra. Manana ny asa tena lehibe mampiavaka azy ny mpahay momba ny kaonty sy ny ara-bola ka tsy tokony hafangaro amin’ny mpitantana kaonty fotsiny ihany, hoy hatrany izy ireo.

Miisa 186 manerana ny Nosy

Miisa eo amin’ny 186 eo amin’izao fotoana izao ny mpahay momba ny kaonty sy ny ara-bola manerana ny Nosy. Raha ny fanazavan’izy ireo dia mbola ampy sy mahasahana ny filàna manerana ny Nosy izy ireo. Mitana anjara toerana lehibe amin’ny fampandehanan-draharaha itony « expert-comptable » itony. Anisan’ny asa lehibe hiandraiketany ohatra ny fanaraha-maso ara-dalàna ny orinasa, fanamarinana ny kaonty, ny fikirakirana ny kaonty rehetran’ny orinasa, ary koa ny fiantohana ny fandeham-bolan’ny orinasa mampiasa azy ireo. Maro ihany koa ireo toerana mety mila azy ireo. Tafiditra ao anatin’izany ny orinasa lehibe, ny sampandraharaham-panjakana sy ny maro hafa. Misy ihany koa anefa ireo misafidy ny hiasa tena ka manokatra ny toeram-piasany manokana ary misehatra amin’ny kaonty sy ny ara-bola hatrany.

Lire la suite

Articles Similaires