• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © La Balise
Image
Vaovao

Tontolo iainana : Faritra 13 eto Madagasikara no mihangazana tsikelikely

05/06/2024 09:20 © Moov.Mg

Ankalazaina androany 5 jona ny andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana. Ny 17 jona kosa, isan-taona, no anamarihana ny andro maneran-tany iadiana amin’ny fiangazanana sy ny hain-tany. Hotanterahina any amin’ny Faritra Atsimo andrefana ny fankalazana ireo andro roa lehibe manan-danja ho an’ny tontolo iainana ireo, ny 13, 14 ary 15 jona izao.

Fanarenana ny nofon-tany

Hiompana amin’ny fanarenana ny nofon-tany sy ny fiatrehana ny hain-tany ny fankalazana ireo andro maneran-tany roa ireo, amin’ity taona 2024 ity. Lohahevitra itondrana izany ny hoe : « Ny tany : fananantsika, harenantsika : andao harovana tsy ho tratran’ny haintany». Araka ny nambaran’ny Minisitry ny tontolo Iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy, Fontaine Max Andonirina, tao anatin’ny lahateniny ho fanamarihana ny andro androany, dia mbola tsy ahitana toerana tena tratran’ny fiangazanana eto Madagasikara. Efa miisa 13 kosa ireo Faritra miroso amin’izany fiangazanana izany, hoy htrany izy, ary ny 28%-n’ny tany eto Madagasikara no tsy afaka mamokatra araka ny tokony ho izy intsony. Noho izany dia nanamafy ny amin’ny tokony hanamafisana ny fiaraha-mientana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny Minisitra, ho an’ny taranaka fara aman-dimby.

Mitaky fiaraha-mientana

Nofidiana manokana ny Faritra Atsimo Andrefana hanatanterahana ny fankalazana nasiônaly ho an’ireo andro maneran-tany roa ireo, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Tontolo Iainana, noho iny Faritra iny tena voakasiky ny hain-tany. Tsy mitsahatra ny mihangazana sy mihamaina ny tany, toy ny amin’ny toerana maro aty amin’ny kaontinanta afrikanina, izay marefo manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Nambaran’ny Minisitra tao anatin’ny lahateniny, fa fotoana iray ho an’ireo mpisehatra tsy an-kanavaka ireo telo andro ireo, hiarahana misalahy amin’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy amin’ny fanatanterahana ireo asa izay efa natomboka, ho fanarenana sy ho fiarovana ny tontolo iainana. Fotoana indrindra indrindra koa, hiaraha-mientana, hahafahana « mandinika ny fifandraisantsika amin’ity tanintsika ity sy hanavaozantsika indray ny tanjona efa napetraka ho fanarenana sy fiarovana azy ».

Lire la suite

Articles Similaires