• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bodo
Image
Vaovao

Fifidianana Solombavambahoaka : Fironam-bokatra ny 4 jona (hariva)

04/06/2024 19:07 © Moov

Mitohy hatrany ny famoahan’ny CENI ny voka-pifidianana vonjimaika. Amin’ny ankapobeny dia tsy ahitana fiovana firy ny vokatra voaray, indrindra ny salan’isa azon’ireo kandida.

Koa satria mbola tsy feno ny PV vita fanamarinana, tsy ferana izay mety fiovan’ny fironambokatra mikasika kandida iray na maromaro. Ny fironam-bokatra amin’ny faritra telo ireto atolotra ireto : Analamanga, Bongolava ary Itasy.

Antananarivo V (212/261 – 81,23%)

Madiva hifarana ny fanamarinana ireo PV voaray mikasika ny latsa-bato teny amin’ny Boriborintany fahadimy. Mitarika hatrany ny depiote Fetra Ralambozafimbololona, Firaisankina, amin’ny salan’isa 41,19%. Manaraka azy ny depiote Naivo Raholddina, IRMAR, nahazo ny 39,84%-n’ny vato manankery.

Antananarivo IV (124/137 – 90,51%)

Hatreto aloha dia mbola raikitra ny poa-droa ho an’ny depiote amperin’asa Todisoa Andriamampandry. Manaraka azy ny kandidan’ny IRMAR, Tantely Razanamandimbisoa, nahazo 28,81%.

Antananarivo Atsimondrano (483/624 – 77,40%)

Tsy misy fiovana firy ny vokatra azon’ny kandida tsirairay. Mitazona ny laharana voalohany i Voahangy Raharimanarivo, kandidan’ny Firaisankina, nahazo ny 42,13%-n’ny vato manankery. 28,29%-n’ireo mpifidy kosa no nandatsa-bato ho an’ny kandidan’ny IRMAR, Andriniony Ratsivahinisolo.

Antananarivo Avaradrano (BV 359/490 – 73,72%)

Mitarika amin’ny salan’isa 42,62% i Benjamina Andriamosa, kandida natolotry ny vovonana Firaisankina. Manaraka azy ny kandida natolotry ny IRMAR, Thierry Radafindranaro, nahazo 29,61%. Laharana fahatelo hatrany, 23,44% i Hajo Andrianainarivelo, natolotry ny Kolekitifa.

Ankazobe (BV 166/191 – 86,91%)

Manana ny salan’isa 52,44% hatreto ny kandida natolotry ny FIVOI, Harijao Percy Razafimandimby. Laharana faharoa kosa ny kandidan’ny IRMAR, Eddie Ramasiherison, manana ny salan’isa 31,72%.

Fenoarivobe (41/155 – 26,45%)

31,19% no salan’isa itarihan’ny IRMAR ny fifaninanana miakatra eny Tsimbazaza, amin’ny alalan’i Arsne Randrianarisoa. Manaraka azy akaiky, amin’ny salan’isa 28,60% ny kandida tsy miankina, ny dokotera Jean Claude Randrianaivomangason.

Ambohidratrimo (BV 480/572 # 83,92%)

Mitarika hatrany ny kandida natolotry ny vovonanana Firaisankina, Maminiaina Solondraibe Rabenirina. Nahazo salan'isa 31,90% ny tenany. 30,29% kosa ny mpifidy nandatsa-bato ho an'i Fenohery Johnny Rakotoarisoa, natolotry ny IRMAR.

Andramasina (BV 78/179 # 43,59%)

41,81% ny salan'isa ambony indrindra, izay azon'ny kandida mahaleotena Bina Andriamanjato. Laharana faharoa i Ralaiary Rakotamanga (IRMAR), nahazo 26,88%. 20,88% kosa no azon'i Noelilalaina Ramalanjaona (Firaisankina).

Anjozorobe (BV 194/239 # 81,17%)

Mitarika hatrany ny kandidan'ny Firaisankina, Eddison Razafintsihoarana, amin'ny salan'isa 31,15%. Manaraka azy ny kandida natolotry ny IRMAR, Manda Herilaza Ravelojaona, nahazo ny 31%-n'ny vato manankery.

Arivonimamo (BV 201/393 – 51,15%)

Lasan’ny FIVOI ny amboara hatreto. Mpifidy 78,23% be izao no nandatsa-bato ho an’i Rajerison Antoine Randriamampianina. Ny kandidan’ny IRMAR no mitana ny laharana faharoa amin’ny salan’isa 13,93%.

Tsiroanomandidy (BV 321/419 – 76,61%)

Ny kandida tsy miankina Harson Raholijaona no be mpifidy indrindra hatreto. Nahazo ny salan’isa 55,03% ny tenany. Somary lavitra ny elanelam-bato satria 15,38% no azon’i Jose Ndimbiarisoa (Tsy miankina), 12,02% ny an’i Joseph Ramiaramanana (Tsy miankina) ary 11,77% no azon’i Hajanirina Lanto Ramaherijaona (IRMAR).

Soavinandriana (BV 156/227 – 68,72%)

Miady ny lalao. 39,90% no salan’isa azon’ny kandida tsy miankina Romeo Christophe Ramanatanana, ary 37,53% no azon’ny kandidan’ny IRMAR, Harizaka Razaiharimalala. 22,57% kosa no azon’ny kandidan’ny Firaisankina, Dina Toky Iaritiana.

Miarinarivo (BV 184/273 – 67,40%)

Mitarika amin’ny salan’isa 34,65% i Fetra Rakotondrasoa, natolotry ny IRMAR. Manaraka azy ny kandida tsy miankina Bernard Anselme Ravelonjato, nahazo 27,72%-n’ny vato manankery. Laharana fahatelo kosa ny kandidan’ny Firaisankina, Zafinjaka Valimanana Ratovoherinavalona, nahazo 20,28%.

Lire la suite

Articles Similaires