• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Minae
Image
Vaovao

Fahasalamana : Fomba fiasa marolafy entina hiadiana amin’ny aretina avy amin’ny biby mifindra amin’ny olona

04/06/2024 16:41 © Moov

Mila ezaka maro be ny ady amin’ny aretina avy amin’ny biby izay mifindra amin’ny olona. Nanambara ireo manam-pahaizana amin’izany fa ny 60% ny aretina mitranga amin’ny olombelona dia avy amin’ny biby, toy ny haromontana sy ny « fièvre de la vallée de rift ».

Izany no antony nampiray ireto rafitra maro ireto hiara-hiady amin’izany olana izany. Nisy araka izany ny atrikasa entina hiadiana amin’izany aretina izany izay natao ny 04 sy 05 Jona 2024 tao amin’ny le Pavé Antaninarenina. Rafitra maro isan-karazany no miara-miasa amin’izany.

Fiaraha-miasa maharitra

Fiaraha-miasa ana rafitra miisa telo be izao no miaraka manatanteraka izany asa izany. Vao natsangana mihitsy araka izany ny komity mpitantana, izay misehatra amin'ny fisorohana ny ady amin'ny areti-mifindra. Handrafitra izany ny « Direction des Services Vétérinaires » (DSV), sy ny « Direction de Veille Sanitaire et Surveillance Epidémiologique et Riposte » (DVSSER) ary ny « Direction de Lutte contre les Maladies Tropicales Négligées » (DLMT). Ny tanjona amin’izany dia ny mba hahafahana miara-mientana entina hanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo sehatra maro ireo mahakasika ity ady ity. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny mba hahafahana miatrika ireo olana miantraika amin’ny ara-tsosialy sy ara-ekonomika ary tafiditra amin’izany ny sehatry ny fahasalamana iraisana na « One Health ». Ity farany ity izay hetsika natao hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpisehatra ara-pahasalaman’ny olona sy ny biby.

Aretina mahafaty

Matetika ireo aretina azo avy amin’ireo biby ireo dia mahafaty avokoa. Araka izany dia tena zava-dehibe sy asa laharam-pahamehana ny asa famongorana izany. Ny ankamaroan’izy ireny dia azo avy amin’ny biby marary avokoa. Mifindra amin’ny alalan’ny bakteria, na viriosy na ireo katsentsitra (parasite) isan-karazany izany. Mety hahazo izany amin’ny fomba maro ny olona. Misy ireo mifandray mivantana amin’ilay biby ary misy ireo avy amin’ny sakafo hoanina na ny rano na ihany koa ny tontolo iainana izay misy ny roa tonta. Araka izany, tsy hita maso io aretina io ka maro ireo fitandremana hatao hiadiana aminy. Asa vaventy ity, miantoka fiainana’olona marobe. Ny tanjon’ity komity nitsangana ity moa dia ny handrafitra paikady lehibe hiadiana amin’izany olana lehibe manambana ny olombelona izany.

Lire la suite

Articles Similaires