• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Senvh
Image
Vaovao

Fitaterana an-tariby : Hatao andrana miaraka ireo « cabine » miisa 27 rahampitso alarobia

04/06/2024 16:06 © Moov

Hahazaka ny vesatr’ireo fitaovana hitatitra olona (cabine) miisa 27 halefa eo ve ireo tariby amin’iny fitaterana an-tariby ireo ? Ho azo rahampitso ny valin’izany satria halefa miaraka ireo cabine miisa 27 raha miisa telo sady tsy nitondra olona no nalefa teny teo aloha teo.

Hahazaka ny vesatr’ireo fitaovana hitatitra olona (cabine) miisa 27 halefa eo ve ireo tariby amin’iny fitaterana an-tariby ireo ? Ho azo rahampitso ny valin’izany satria halefa miaraka ireo cabine miisa 27 raha miisa telo sady tsy nitondra olona no nalefa teny teo aloha teo.

Andrana faharoa

Taorian’ireo cabine miisa 3 nanaovana andrana teo amin’iny lalana mampitohy an’i Anosy sy Soarano iny dia hiditra amin’ny andrana faharoa indray izao. Miisa 27 ireo « cabine » ho ampiasaina hitaterana olona eo amin’io lalana io. Araka izany dia ny andrana amin’ireo 27 ireo miaraka no hotanterahina rahampitso. Hojerena amin’izany ny tanjaka zakan’ireo cabine ireo. Aorian’izao andrana faharoa izao anefa dia mbola misy andrana maro isan-karazany tsy maintsy tanterahina alohan’ny hampiasana azy. Ao anatin’izany ny andrana miaraka amin’ny entana sy ny olona entina. Manaraka izany dia mbola maro ihany koa ireo rafitra mila andalovana mialohan’ny hampiasana azy tanteraka. Izany no nambaran’ny Sekreteram-panjakana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana (SENVH) anio.

Andrana nahomby

Hatramin’ny 22 mai teo izay nanatanterahana ny andrana voalohany dia mbola nahomby avokoa ny rehetra izay natao, hoy hatrany ny avy ao amin’ny SENVH. « Ara-dalana avokoa hatreto ny fiasan’ireo fitaovana fitsirihana rehetra mifehy ny fampiodinana ny zotra », hoy ny avy ao amin’ny SENVH, ity. Aorian’ity andrana rahampitso ity dia hampitondraiana entana sy oloan amin’izao ireo cabine ireo. Marihina moa fa eritrertina hahazaka 900 kilao tsirairay avy ireo cabine ireo. Araka izany dia tokony ho mafy be ireo tariby. Raha handeha hiaraka ireo cabine rehetra ireo tokony hahazaka hatramin’ny 20 taonina eo ho eo izany tariby izany. Izany indrindra no maha-zava-dehibe ireo andrana maro isan-karazany mba hiarovana ny ain’ireo malagasy mpanjifa izany.
Hatreto dia mbola tsy nisy ny fiovana tamin’ireo saran-dalana nolazaina izay 3 000 ariary sy 4 000 ariary izany. Ny fiovany dia tsy maintsy hivoaka ofisialy hatrany raha misy izany.

Lire la suite

Articles Similaires