• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fotodrafitrasa : misokatra vonjimaika ho an'ny fiara rehetra ny tetezana eo Ifasy amin’ny RN6

04/06/2024 16:00 © Moov

Miverina amin’ny laoniny amin’ny ampahany ny lalana ao amin’ny RN6. Efa misokatra vonjimaika ho an’ny fiara rehetra ny eo Ifasy teboka halavirandalana PK 537+327, amin'ny lalam-pirenena fahaenina (RN6).

Amin’ny alina ihany

Azon'ny fiara rehetra ampiasaina nanomboka omaly ny "passage à gué", eo anelanelan'ny amin'ny 5 ora sy sasany hariva ka hatramin'ny 5 ora sy sasany maraina. Izany hoe amin’ny alina ihany no afaka mampiasa io tetezana vao namboarina eo ambony rano io ny olona rehetra. Mbola mitohy hatrany anefa ny asa fanamboarana eo anelanelan'ireo ora voalaza etsy ambony ireo hahafahana mamarana tanteraka ireo asa. Marihina fa mampifandray an'Ambilobe sy Antsiranana io lalana amboarina io. Araka izany dia tsy misy intsony ny famindrana entana ho an'ny fitaterana iraisana na "transbordement" eo Ifasy. Efa tonga tanteraka eo Ambilobe ny fiara rehetra. Marihina moa fa nanamboatra lalana teo ambonin'ny renirano Ifasy na "passage à gué" ny Minisiteran'ny Asa Vaventy, tarihin’ny Minisitra tomponandraikitra, Kolonely Andrianatrehina Ndriamihaja Livah. Izany no natao mba hamerenana amin'ny laoniny ny fifamoivoizana amin'iny lalam-pirenena fahaenina iny.

Mbola tsy vita ny eo Mahavavy

Anisan’ny nahitana fahasimbana ihany koa ny teo amin’ny reniranon’ny Mahavavy. Mbola tsy vita aloha izany hatreto. Efa hifarana kosa anefa izany fanamboarana ny passage à gué izany amin’izao mba ahafahan'ny fiara rehetra mifamezivezy eo amin'iny ampahan-dalana iny. Hatramin’izao dia mbola miandry hatrany ny fahavitan’ireo fanamboarana ireo ny olona maro mpampiasa iny lalana iny. Marihina moa fa vahaolana maika ihany ireto familian-dalana ireto. Mila fotoana maharitra ny famerenana amin'ny laoniny ity tetezana ity izay ho atao moderina kokoa. Ankoatra izany anefa dia maro ihany koa ireo lalana sy fotodrafitr’asa hafa mila fanamboarana. Ao ireo maika noho ny maha-betsaka ny mpampiasa izany ; ao ihany koa ireo izay tokony harenina fotsiny satria anisan’ny ilaina amin’ny famoaham-bokatra.

Lire la suite

Articles Similaires