• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Vaovao

CUA : Fivoriana ara- potoanan’ny Filan-kevitra Monisipaly mandritra ny 10 andro

04/06/2024 11:25 © Moov

Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy omaly hariva ary haharitra 10 andro ny fivoriana ara- potoanan’ny Filan-kevitra Monisipaly izay notarihan’ny Filohany, Andriamatoa Andriamparany Ralitera ary natrehan’ny filohan’ny delegasionina manokan'ny tanànan’antananarivo, andriamatoa Richard Ramanambitana sy ireo mpiara-miasa aminy. Fotoan-dehibe iray handinihana ny teti-bola ampiasaina indray io fotoana io.

Lahadinika miisa telo

Lahadinika telo no naroson’ny fahefana mpanatanteraka ho dinihina nandritra izany fotoana izany. Tafiditra ao anatin’izany ny « compte administratif 2023", ny "budget additionnel 2024" na tetibola fanampiny taona 2024 ary ny « rapports spéciaux de l'année 2023" na tatitra manokana momba ny taona 2023. Anisan’ny nisongadina tamin’izany ny fanambarana mahakasika io teti-bola nampiasaina ny taona 2023 io. « Mitentina 40 miliara ariary mahery eo ho eo ny vola nampiasaina ny taona 2023. Ny 38 miliara mahery tamin’io ihany no lany ka izay no hifampidinihana mandritra ity fivoriana ity. Mbola ny fivoriana no manapaka hoe hatao aiza io ambim-bola 2 miliara ariary io », hoy i Andriamparany Ralitera, filohan’ny Filan-kevitra Monisipaly, omaly. Efa nisy ihany anefa ny dinika avy amin’ireo mpanatanteraka. Ny 1 miliara 50 tapitrisa halefa amin’ny fampandehanan-draharaha ary ny ambiny kosa dia halefa ao amin’ny fampiasam-bola hafa (investissement). Etsy andaniny anefa dia ny mpivory rehetra no mamaritra izany raha ho tapahina izany hevitra izany na tsia.

Tsy hitrosa mihitsy

Nitarika ity fivoriana ity ny Filohan’ny Delegasiona manokan’ny tanàna, Richard Ramanambitana. Nanamafy izy tao anatin’ny lahateniny fa nandritra izay telo volana nipetrahany teo izay dia tsy mbola nanao trosa ny tenany. Etsy andininy, mandritra ny 8 volana fotoam-piasany rehetra eo dia tsy mieritreritra ny hanao trosa mihitsy ny tenany. « Efa mipetrapetraka amin’ny ankapobeny ireo teti-bola mety ilaina ka tsy misy antony tokony hanaovana trosa intsony », hoy ny tenany tamin’izany. Ao anatin’izany ny fanamboaran-dalana, ny fanatsarana ny zaridaina sy ny tsena rehetra. Nilaza izy fa mila fahasahiana izany tsy manao trosa izany ka tsy maintsy tanterahina hahafahana mandoa amin’ny antsakany ny volan’ireo orinasa izay mety hiara-hiasa amin’ny Kaominina. Ankoatra izany dia nanamarika ity fotoana ity ihany koa ireo tatitra mihabo tamin’ireo asa vita tao anatin’izay telo volana izay. Voarakitra tao anatin’izany ny fanadiovana ny tanàna tao anatin’ny 10 andro, indrindra ireo faritra tena maloto. Eo ihany koa ny fijerena ny mahaolona mba hamporisihina ny mpiasa ka voaloa ara-potoana avokoa ny karaman’ireo mpiasa rehetra. Mbola manana volana maromaro araka izany ity PDS ity ho fanatsarana hatrany ny tanàna indray.

Lire la suite

Articles Similaires