• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Dren Anosy
Image
Vaovao

BEPC Katolika : Tombana fa tsy fifaninanana amin’ny fanjakana

04/06/2024 11:21 © Moov

Miatrika ny fanadinana BEPC ho an’ireo sekoly Katolika rehetra manerana ireo mpianatra taona fahatelo rehetra manerana ny Nosy. Nanazava ny mpitantana sekoly Katolika iray eto an-drenivohitra fa tombana anatiny isaky ny sekoly no anton’izany fanadinana izany fa tsy fifaninanana amin’ny fanadinam-panjakana.

Tombana mahakasika ireo votoatim-panabeazana

Omena fanabeazana ara-pinoana katolika ny mpianatra amin’ireny sekoly rehetra ireny manerana ny Nosy, ankoatra ireo fampianarana mitovy amin’ny mpianatra rehetra. Io no tena tombanana amin’io fanadinana isan-taona io izay hahazoana ny mari-pahaizana BEPC Katolika. « Tolorana votoatim-panabeazana ireo mpianatra ary izany no tena jerena amiun’io fanadinana io. Ao anatin’izany ohatra ny mikasika ny fandalinam-pinoana sy ny fibeazana miaina sy mitia na ilay antsoina hoe « éducation à la vie et à l’amour ». Jerena amin’izany hoe tafita sa tsia ny fanabeazana ankoatra ireo fampianarana rehetra », hoy hatrany ny fanazavana. Tsy azo raisina ho toy ny fanadinana andrana na ny BEPC Blanc ity tanterahina ity. Tena izay vokatry ny fanadinana eo ihany koa no handrefesana hoe tafita amin’ilay mpianatra ny fanabeazana nampitaina taminy. Araka izany dia zava-dehibe amin’ny sekoly Katolika ity dingana ity hahafahany manatsara indray ny fomba fanabeazana tokony hataony.

Mpianatra miisa 36 226 manerana ny Nosy

Mpianatra rehetra taona fahatelo ao amin’ny Sekoly Katolika manerana ny Nosy no miatrika ity fanadinana ity. Miisa 36 226 izy ireo manerana ny Nosy. Tafiditra ao anatin’izany ireo mpianatra rehetra an-drenivohitra na ireo any ambanivohitra. Nanamarika ny avy ao amin’ny Sekoly Katolika fa mitovitovy ihany ny vokatry ny fanadinana amin’ireo mpianatra rehetra ireo. « Marina fa mety manana ny enti-manana amin’ny fampianarana ,ny aty an-drenivohitra saingy tsy ambakan’izany ireo any ambanivohitra. Tena manao ezaka izy ireo ary mitovitovy ihany ny vokatra isaky ny naotin’ireo mpianatra », hoy hatrany ity Tale ity. Marihina fa ny Fanadinam-panjakana BEPC ihany no mamaritra ny fifindrana sy ny tsia fa tsy ity fanadinana ity. Taranja matematika no hatrehin’ny mpianatra anio.

Lire la suite

Articles Similaires