• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mikaia Tovolahy
Image
Vaovao

Voka-pifidianana Solombavambahoaka vonjimaika, androany 4 jona (maraina)

04/06/2024 08:23 © Moov

Mitombo hatrany ireo PV vita fanamarinana. Ny SRMV moa no mikirakira ny vokatra avy eny ifotony ka manolotra izany amin’ny CENI avy eo.

Antananarivo I

Tsy naharaisana fironam-bokatra

Antananarivo II (BV 149/185 – 80,54%)

Madiva hifarana ny fanamarinana ireo PV voaray ho an’ny Boriborintany faharoa. Raha ny salan’isa no jerena dia mety hanao poa-droa ny depiote Stanislas Randrianarisoa, avy amin’ny vondrona Firaisankina. Nahazo 51,70%-n’ny vato manankery no azony. Laharana faharoa i Lanto Rakotomanga, IRMAR, nahazo 38,87%.

Antananarivo III

Tsy naharaisana fironam-bokatra

Antananarivo IV (BV 143/227 – 63%)

Mbola i Tahiry Ny Rina Randriamasinoro hatrany no be mpifidy : 47,22%. Natolotry ny Firaisankina moa ny tenany. Laharana faharoa i Dsir Rafidimanana, 33,81%, natolotry ny IRMAR. 6,47% ny salan’isan’ny kandida tsy miankina, Emilien Ramboasalama.

Antananarivo V (BV 212/261 – 81,23%)

41,19% no salan’isa azon’ny kandidan’ny Firaisankina, Fetra Ralambozafimbololona. 39,84% no azon’i Naivo Raholdina, kandidan’ny IRMAR, sady filoha lefitry ny Antenimierampirenena amperin’asa. Tsy ho tafakatra eny Tsimbazaza kosa ny kandidan’ny Kolekitifa, Harifidy Ramanandraibe, 18,97%.

Antananarivo VI (BV 124/137 – 90,51%)

Mazava hatreto ny poa-droa ho an’ny kandida depiote Firaisankina, Todisoa Manampy Andriamampandry. Nahazo ny salan’isa 50,98% ny tenany. Laharana daharoa ny kandidan’ny IRMAR, Tantely Razanamandimbisoa, 28,81%.

Antananarivo Atsimondrano (BV 483/624 – 77,40%)

Ny ampahaefan’ny PV sisa no mila fanamarinana ho an’Antananarivo Atsimondrano. Tsy misy fiovana firy ny vokatra satria mitarika hatrany ny kandidan’ny Firaisankina, Voahangy Raharimanarivo, nahazo 42,13%. Anisan’ny be mpifidy ihany koa i Andriniony Ratsivahinisolo, avy amin’ny IRMAR, nahazo 28,29%.

Antananarivo Avaradrano (BV 359/490 – 73,27%)

Mitarika amin’ny salan’isa 42,62% ny kandida natolotry ny Firaisankina, Benjamina Andriamosa. Mitazona ny laharana faharoa i Thierry Razafindranaro, avy amin’ny IRMAR, nahazo 29,61%. Laharana fahatelo i Hajo Andrianainarivelo, nahazo 23,44%-n’ny vato manankery.

Ambohidratrimo (BV 480/572 – 83,92%)

Mitarika hatrany ny kandidan’ny Firaisankina Maminiaina Solondraibe Rabenirina, nahazo 31,90%-n’ny vato manankery. Manaraka azy akaiky kosa nefa ny kandida natolotry ny IRMAR, Fenohery Johnny Rakotoarisoa, amin’ny salan’isa 30,29%.

Andramasina (BV 78/179 – 43,58%)

Mbola tsy mahatratra 50% hatreto ny PV voamarina ho an’Andramasina. Mitarika vonjimaika hatrany ny kandida tsy miankina Bina Andriamanjato, nahazo ny salan’isa 45,81%. Manaraka azy i Ralaiary Rakotomanga, avy amin’ny IRMAR, nahazo 26,88%. Laharana fahatelo ny kandida natolotry ny Firaisankina, Noelilalaina Ramalanjaona, nahazo 20,88%.

Anjozorobe (BV 194/239 – 81,17%)

31,15% ny salan’isa azon’ny kandidan’ny Vondrona Firaisankina, Edison Razafintsihoarana. Kely dia kely ny elanelana satria 31% no azon’ny kandidan’ny IRMAR, Manda Herilaza Ravelojaona. Laharana fahatelo i Jean Germain Mbelo (mahaleotena), 22,30%, ary laharana fahaefatra i Dina Raharijaona (mahaleotena), 15,55%.

Ankazobe (BV 166/191 – 86,91%)

Mitarika amin’ny isam-bato 52,44% i Harijao Percy Razafimandimby, avy amin’ny FIVOI. 31,72% kosa no azon’i Eddie Ramasiherison (IRMAR). 5,42% kosa no azon’i Honty Razafitrimo, tarika Ambondrona, nilatsaka tamin’ny anaran’ny Kolekitifa.

Lire la suite

Articles Similaires