• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pro Samuel
Image
Vaovao

Fifidianana Solombavambahoaka : Fironam-bokatra Antananarivo Analamanga, 03 jona hariva

03/06/2024 22:33 © Moov

Miisa 72 amin'ny 120 ireo distrika nahatonga ny antontan-taratasim-pifidianany eny amin'ny foiben-toeran'ny CENI Alarobia, hatramin’ny hariva teo. Mbola an-dalana kosa ny sisa.

Mampitaintaina ny maro ny voka-pifidianana Solombavambahoaka. Somary misy fiovaovana mantsy ny vokatra, indrindra ireo salan’isa ho an’ny eto Antananarivo. Azo lazaina kosa nefa fa ny avy amin’ny antokon’ny fitondrana sy ny antoko mpanohitra no tena mifanandrina.

Antananarivo I

Tsy naharaisana fironam-bokatra

Antananarivo II (BV 149/185 – 80,54%)

Madiva hifarana ny fanamarinana ireo PV voaray avy eny amin’ny Boriborintany faharoa. Hatreto aloha, manao poa-droa i Stanislas Randrianarisoa, avy amin’ny Firaisankina, amin’ny salan’isa 51,70%. Manaraka azy i Lanto Rakotomanga, kandida natolotry ny IRMAR, nahazo 38,87%.

Antananarivo III

Tsy naharaisana fironam-bokatra

Antananarivo IV (BV 143/227 – 63%)

Ny kandida natolotry ny Firaisankina, Tahiry Ny Rina Randriamasinoro, no mitana ny laharana voalohany. 47,22%-n’ireo mpifidy no nandatsa-bato ho azy. Manaraka azy ny avy amin’ny IRMAR, Dsir Rafidimanana, amin’ny salan’isa 33,81%. 7,05% kosa ny vato azon’ny kandida amperin’asa Paul Bert na Rossy.

Antananarivo V (BV 212/261 – 81,23%)

Raha ny fironam-bokatra hatreto dia samy hiverina eny Tsimbazaza na ny depiote Naivo Raholdina (39,84%), avy amin’ny IRMAR, na ny depiote Fetra Ralambozafimbololona (41,19%), avy amin’ny vovonana Firaisankina.

Antananarivo VI (BV 124/137 – 90,51%)

Azo antoka fa tsy hisy fiovana firy intsony ny vokatra ho an’ny Boriborintany faha-6. Mety hanao poa-droa ny kandidan’ny Vovonana Firaisankina, nahazo ny salan’isa 50,98%. Hiverina eny Tsimbazaza ny depiote Todisoa Manampy Andriamampandry. Laharana faharoa kosa i Tantely Razanamandimbisoa (IRMAR), nahazo 28,81%.

Antananarivo Avaradrano (BV 359/490 – 73,27%)

Anjakan’ny Firaisankina ny eny Avaradrano. Nahazo 42,62% mantsy i Benjamina Andriamosa. Manaraka azy ny kandidan’ny IRMAR, Rijaniaina Thiierry Radafindranaro, amin’ny salan’isa 29,61%. Laharana fahatelo ny kandidan’ny Kolektifa, Hajo Andrianainarivelo, 23,44%.

Antananarivo Atsimondrano (BV 430/624 – 68,91%)

Mitarika hatrany ny kandidan’ny vovonana Firaisankina, amin’ny salan’isa 42,24%, i Voahangy Raharimanarivo. Manaraka azy, mitazona hatrany ny laharana faharoa, i Andriniony Ratsivahinisolo (IRMAR), nahazo 28,20%. Laharana fahatelo ny kandida mahaleotena Alain Jean Ratsimbazafy, 12,01%.

Andramasina (BV 78/179 – 43,58%)

Mbola tsy ny antsasaky ny PV aloha hatreto no voamarina ho an’Andramasina. Tsy miova firy ny fironana satria mola mitarika hatrany i Bina Andriamanjato, mahaleotena, izay nahazo ny salan’isa 45,81%. Manaraka azy kosa i Ralaiary Rakotomanga, IRMAR, nahazo ny 26,88%-n’ny vato manankery. Laharana fahatelo ny kandidan’ny Firaisankina, Noelilalaina Ramalanjaona, nahazo 20,88%.

Anjozorobe (BV 194/239 – 81,17%)

Mitarika hatrany i Edison Razafintsihoarana (31,15%), avy amin’ny Firaisankina. Tery dia tery ny elanelana satria 31% no azon’i Manda Herilaza, natolotry ny IRMAR. Manaraka azy ireo i Jean Germain Odon Mbelo (22,30%), tsy miankina.

Lire la suite

Articles Similaires