• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Primature
Image
Vaovao

Primatiora : Manameloka ny endrika herisetra taloha, nandritra ary taorian’ny fifidianana ny Praminisitra

03/06/2024 21:56 © Moov

Notanterahina androany ny fianianan’ireo mpikambana vaovao ao anatin’ny Fitsarana Avo (Haute Cour de Justice) avy ao amin’ny Haut Conseil pour la Défense de la Démocratie et de l’État de Droit (HCDDED). Nanatrika izany ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian.

Melohina ny herisetra rehetra

Nanararaotra nanontany ny Praiminisitra ireo mpanao gazety ny mahakasika ireny zavatra nitranga tamin’ny fifidianana solombavambahoaka ireny. Nanamarika ny tenany tamin’izany fa melohina avokoa ny mety ho endrika herisetra rehetra. « Mila andrasana am-pilaminana sy am-pitoniana ny valiny rehetra. Manameloka tanteraka kosa ireo endrika fanakorontanana sy fanimbana fananam-panjakana ny Governemanta ary mandray fepetra hentitra ho an’ireo izay minia mandika ny lalàna velona », hoy hatrany ny tenany. Manaraka izany dia nanamarika ny tenany fa tokony eo am-pelatanan’ny HCC ny fitoriana no hatao fa tsy tazomina irery any ka mety hiteraka olana. Marihina fa malalaka amin’izany zo izany ny rehetra ka afaka manatitra ny fitarainana rehetra eny anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana. Ankatoky ny fanomanana ny fetim-pirenena rehateo isika amin’izao ka ilaina fitoniana izany fotoan-dehibe izany.

Tsy handefitra ihany koa ny EMMO/NAT

Manoloana ireo fanakorontanana nitranga tany amin'ny Distrika sasantsasany izay niniana novolena dia manao izao fanambarana ihany koa ny État-Major Mixte Opérationnel National na ny EMMO/NAT, izay ahitana ny avy ao amin'ny Tafika malagasy ny Zandarimariam-pirenena ary ny Polisim-pirenena. Miray feo amin’ny Lehiben’ny Governemanta ity ihany koa izy ireo. « Tsy andeferana ny fanakorontanana sy ny fiantsiana isan-karazany ary ny fanaparitahana vaovao tsy marina mikasika ny voka-pifidianana izy ho solom-bavambahoaka. Koa handray andraikitra izahay manoloana ny fandikan-dalana manohintohina ny filaminam-bahoaka sy ny zotra-pifidianana manerana ny Nosy », hoy ny avy ao amin’ny EMMO/NAT. Araka izany dia nomena baiko ny mpitandro filaminana rehetra manerana ny Nosy haneho ny fahaizamanao matihanina amin'ny fampiharana ny lalàna manankery.

Lire la suite

Articles Similaires