• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © La Voix Du Nord
Image
Vaovao

Fampianarana : Mbola manana lesoka amin’ny taranja siantifika ny mpanala BEPC

03/06/2024 21:48 © Moov

Manatanteraka ny fanadinana andrana faharoa amin’ny fanadinam-panjakana BEPC ny mpianatra taona fahatelo. Mbola manana lesoka amin’ny taranja siantifika ireo mpianatra taorian’ny fanadinana andrana voalohany. Narenina izany tao anatin’izany fotoana rehetra izany ka ho jerena indray ny lesoka amin’ny valin’ity fanadinana faharoa ity.

Hamafisina ny fifehezana fotoana

Anisan’ny olana tsapan’ireo mpanabe taorian’io fanadinana andrana voalohany io ny tsy fahaizana mifehy fotoana. Tao anatin’ireny taranja siantifika ireny dia manodidina ny 20% an’ireo mpianatra no nahazo naoty ambany satria tsy nahavita ny laza adina iray. « Anisan’ny fanarenana nataon’ireo mpampianatra ny fomba fandaminana fotoana. Anisan’ny zava-dehibe io satria matoa ireny ny laza adina dia tokony ho vita ao anatin’io fotoana io », hoy ny Tompon’andraikitra iray amin’ny Sekolim-panjakana eny Anosy. Hojerena indray araka izany ny mbola mety ho lesoka aorian’ity fanadinana andrana ity. Mbola manana 20 andro eo ho eo ny mpampianatra sy ny mpianatra hanatsarana indray ny vokatra. Marihina fa ny 30 jona hatramin’ny 3 jolay ho avy izao indray ny fanadinam-panjakana BEPC amin’ity taom-pianarana 2023-2024 ity.

Vita ny fandaharam-pianarana

Andro sisa no isaina dia ho tonga io andro andrasan’ireto ao amin’ny taona fahatelo ireto io. Nanamarika ny mpampianatra fa efa vita tanteraka amin’izao fotoana izao ny fandaharam-pianarana rehetra. Efa hiditra amin’ny famerenana tanteraka amin’izao fotoana izao ny mpianatra aorian’io fanadinana io. Matetika amin’ny mpianatra rehetra dia ny taranja siantifika hatrany no olana amin’ireo mpianatra. Mbola misimisy ny asa miandry araka izany mialohan’ny hiatrehana io fanadinana io. Marihina ihany koa fa raha ny eto Antananarivo Renivohitra dia ny sokajy A no betsaka mpisafidy. Araka izany mandritra ny fanadinana andrana dia ireo izay rehetra nianarana sy mifanaraka amin’ireo sokajy misy azy avy no hanadinana sahady ireo mpianatra.
Tsara ihany koa ny manamarika fa efa hanatanteraka ny fanadinana faran’ny taom-pianarana ihany koa ireo amin’ny taona sasany. Tokony ho vita alohan’ny fetim-pirenena ny 26 jona izao ny taom-pianarana 223-2024.

Lire la suite

Articles Similaires