• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Antenimierampirenena
Image
Vaovao

Fivorian’ny Antenimierampirenena : Fampandehanan-draharaha ihany sisa no misy eny Tsimbazaza

03/06/2024 15:32 © Moov

Tokony hanomboka androany ny tohin’ny fivoriana ara-potoan’ny Solombavambahoaka, rehefa nahemotra noho ny fisian’ny fampielezan-kevitra. Tsy nahitana anefa na Solombavambahoaka iray aza teny amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena androany.

Milamina ny raharaha

Hatreto aloha dia milamina ny ao amin’ny Antenimierampirenena amin’izao fotoana izao. Tsy misy fivoriana mbola tapaka fa mbola ireo olona mampandeha ny raharaha anatiny fotsiny ihany sisa no miasa ao. Mandeha antsakany sy andavany ny fampandehanan-draharaha, hoy i Naivo Raholdina, Filoha lefitry ny Antenimierampirenena amin’izao fotoana izao. Amin’izao fotoana izao, hoy hatrany ny tenany dia mbola tsy misy programa manaraka azo ambara. « Tsara ny manamarika aloha fa mbola tsy misy eto an-toerana ireo solombavambahoaka izay nilatsaka ho fidiana. Mbola mila fivorian’ny birao maharitra ihany koa mialohan’izany fivoriana tokony hisy izany. Etsy andaniny anefa dia 2 amin’ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitra irery ihany no tsy nilatsaka ka tsy misy afaka hivory izany eto », hoy hatrany ity Filoha lefitra ity. Mifandraika amin’izany ny tsy maha eto an-toerana ny Filoha voalohany izay any Betioky Atsimo amin’izao fotoana izao.

Hiandry ny solombavambahoaka vaovao

Azo heverina fa hiandry ny solombavambahoaka vaovao ny fivoriana izay vao mety hisy indray. Marihina fa roa volana io fivoriana io ka efa iray volana izay no lasa. Fotoana kely sisa dia ho avoakan’ny HCC ny valim-pifidianana ka mety efa ireo solombavambahoaka vaovao indray no hivory amin’ny fotoana manaraka, hoy hatrany ny avy ao amin’ny Birao maharitra ny Antenimierampirenena. « Mety efa tsy misy hifantoka amin’ny lalàna izay ho tapaka eo ihany koa ireo solombavambahoaka nilatsaka kanefa tsy lany intsony. Mety efa ho vitsy ihany koa sisa ireo ho tonga aty satria mety hieritreritra izy ireo fa lany vola fotsiny aty », hoy hatrany ity Solombavambahoaka avy eny amin’ny Boriborintany fahadimy ity. Araka izany dia mety hiemotra amin’ny fotoana mbola tsy fantatra mùihitsy ity fivoriana ara-potoana voalohany tamin'ny taona 2024 ity.

Lire la suite

Articles Similaires