• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Maderpost
Image
Vaovao

Sommet Corée-Afrique 2024 : Hanamafy ny fifandraisana amin’ny Corée amin’ny sehatra rehetra ireo delegasiona

03/06/2024 09:53 © Moov

Efa any Seoul, toerana izay hanatanterahana ny fihaonamben’ny Corée sy Afrique na ny Sommet Corée – Afrique 2024, ireo delegasiona avy aty Madagasikara. Tarihin’ny Filoham-pirenena mivady izy ireo ao anatin’izany miaraka amin’ireo minisitra vitsivitsy. Samy hitondra ny anjara birikiny avokoa ireo minisitra ireo hanamafisana ny fifandraisana amin’ity firenena ity.

Teknolojia sy indostria

Anisan’ny vaindohan-draharahan’ireo delegasiona ireo any an-toerana ny seha-piaraha-miasa mahakasika ny teknolojia sy ny indostria. « Fanamby lehibe ho anay amin’ny fampiroboroboana ny indostria ny fanatrehana ity fihaonam-be ity ary voalohany ihany koa. Ny tanjonay dia ny hamokatra ao Madagasikara izay rehetra ilain’ny malagasy ka anisan’ny hitondra fahaizana sy tombony ho anay ny fanatrehana ity sommet ity », hoy ny filoham-pirenena malagasy Andry Rajoelina tamin’ny fihaonany voalohany tamin’ny ministry ny raharaham-bahiny lefitra tany an-toerana omaly. Anisan’ny delegasiona miaraka amin’ny Filoham-pirenena any an-toerana ny ministry ny raharaham-bahiny, ny minisitry ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra sy ny paositra ary ny fifandraisan-davitra, ny ministry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny ministry ny herana n-kibon’ny tany. Samy handray anjra amin’ireo atrikasa isan-karazany isaky ny sehatra misy azy avy ireo minisittra ka hitondra fampandrosoana eo amin’izany sehatra izany.

Ozinina mpanodina rano

Anisan’ny raisin’ny Filoham-pirenena ho laharam-pahamehana ihany koa ny fanomezana rano madio ho an’ny malagasy. Anton’izany no isan’ny nisafidianany ny hitsidika ny orinasa mpanodina rano ho lasa rano fisotro madio ao an-toerana. Marihina fa nomena safidy avokoa ireo filoham-pirenena izay tonga manatrika ity « sommet » ity, amin’ireo toerana izay tiany ho tsidihina. Mahaliana hoy i Andry Rajoelina ity toerana ity satria afaka hitondrana hevitra ho antsika any Madagasikara. Izay tsara ny manamarika fa mbola misedra olana hatrany ny famatsiana rano fisotro madio eto Madagasikara indrindra any amin’ny toerana ambany vohitra.

Feno ny fandaharam-potoana

Marihina fa rahampitso 4 sy 5 jona no hotanterahina ity fihaonambe ity. Efa tonga mialoha any an-toerana anefa ny Filoham-pirenena. Feno dia feno ny fandaharam-potoanany amin’izany fotoana rehetra izany. Hanombohany izany anion y fihaonana amin’ireo « diaspora » malagasy. Miisa 40 eo ho eo ireo malagasy monina sy miasa ny Corée amin’izao fotoana izao. Mianatra mahakasika ny injeniera sy ireo mpamita iraka no tena betsaka amin’izany. Ankoatra izany sy ny fitsidihana ilay ozinina mpamadika rano dia anisan’ny handray anjara fitenena ihany koa ny Filoham-pirenena malagasy mandritra ny fanokafana ny « sommet » rahampitso talata.

Lire la suite

Articles Similaires