• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ceni
Image
Vaovao

Voka-pifidianana vonjimaika - 02 jona 2024

02/06/2024 21:52 © Moov

Indroa, izany hoe ny maraina sy ny hariva, no namoaka vokapifidianana vonjimaika indray ny CENI. Mitombo hatrany ireo PV voaray ka nanatanterahana fanamarinana.

Samy efa mahafantapantatra ireo kandida mety hiakatra sy hijanona eny Tsimbazaza ny ankamaroan'ny olom-pirenena. Tsara nefa ny manamarika fa mbola misy herinandro eo ho eo vao tena ho vita tanteraka ny fanisana sy ny fanamarinana rehetra.

Antananarivo Atsimondrano (BV 88/624 # 14,10%)

Mbola tsy ny ampahaefany akory ny vato voaisan'ny CENI tao Antananarivo Atsimondrano. Hatreto aloha dia mbola mitarika amin'ny salan'isa 35,45% ny avy amin'ny Firaisankina, Voahangy Ramananarivo. Kely ny elanelam-bato manasaraka azy amin'i Andry Ratsivahinisolo, izay nahazo ny 34,34%-n'ny vato mananakery. Alain Jean Ratsimbazafy, tsy miankina, no laharana fahatelo, 12,01%.

Antananarivo Avaradrano (BV 359/490 # 73,27%)

Madiva hifarana ny fanamarinana ireo PV voaray avy any Antananarivo Avaradrano. Hatreto dia i Benjamina Andriamosa (Firaisankina) no mitarika, amin'ny salan'isa 42,62%. Manaraka azy ny avy amin'ny IRMAR, Rijaniaina Thierry Radafibdranaro, 29,61%. 23,44% kosa no salan'isa azon'i Hajo Andrianainarivelo (Kolekitifa).

Ambohidratrimo (BV 218/572 # 38,11%)

Mitazona ny laharana voalohany hatreto i Maminiaina Solondraibe Rabenirina, avy amin'ny vondrona politika Firaisankina. 3547% no salan'isa azony. Manaraka azy akaiky, amin'ny salan'isa 31,03% ny kandida natolotry ny IRMAR, Fenohery Johnny Rakotoarisoa.

Anjozorobe (BV 194/239 # 81,17%)

Efa saika voaisa avokoa ireo vato tao Anjozorobe. Ny avy amin'ny Firaisankina, Edison Rzafintsihoarana, no be mpifidy indrindra. Nahazo ny salan'isa 31,15% ny tenany. Mitazona ny laharana faharoa ny kandida tsy miankina Jean Germain Odon Mbelo Ndriamparany, nahazo ny 22,30%-n'ny vato manankery.

Ankazobe (BV 41/191 # 21,47%)

Mitarika i Harijao Percy, avy amin'ny FIVOI. Manana salan'isa 62,26% mantsy io kandida io. Lavitra ihany ny elanelam-bato satria 21,97% ny salan'isa azon'ny laharana faharoa, Eddie Ramasiherison, avy amin'ny IRMAR.

Manjakandriana (BV 135/342 # 39,47%)

Ny kandida natolotry ny vondrona Firaisankina, Henri William Randriamanga, no be mpifidy indrindra hatreto. 35,09% tamin'ny vato manankery no azony. Manaraka azy ny kandida tsy miankina, ny dokotera Fidy Bariniaina, amin'ny salan'isa 30,92%.

Arivonimamo (BV 64/393 # 16,28%)

Lasan'ny FIVOI, amin'ny alalan'i Rajerison Antoine Randriamampianina, ny amboara hatreto. Ambony dia ambony, izany hoe 78;96% ny salan'isa azony. Manaraka azy kosa, 13,80%, ny avy amin'ny IRMAR, Andriniaina Rakotondravoavy.

Miarinarivo (BV 24/273 # 8,79%)

Miady ny lalao ao Miarinarivo. Fetra Rakotondrasoa (IRMAR) nahazo 31,92%, i Bernard Ravelonjato (Indépendant) nahazo 29,02%, i Lalaina Raharinarivoarimanana (Indépendant) nahazo 20,51% ary i Valimanana Ratovoherinavalona (Firaisankina) manana ny salan'isa 18,56%.

Tsiroanomandidy (BV 34/419 # 8,11%)

Mbola tsy ampy 10% akory ny vokatra voamarina avy tamin'ireo biraom-pifidianana tany Tsiroanomandidy. Hatreto aloha dia ny kandida tsy miankina Harson Raholijaona no mety hanao poa-droa. 51,92% mantsy ny salan'isa azony. Manaraka azy, somary lavidavitra, ny kandidan'ny Firaisankina, Jose Solonirina Ndimbiarisoa, 19,99%.

Soavinandriana (BV 169/227 # 74,45%)

Ny kandida tsy miankina Romeo Christophe Ramanatanana no mitarika amin'ny salan'isa 40,29%. Laharana faharoa, 37,12%, ny kandida natolotry ny IRMAR, Harizaka Fiainantsoa Razaiharimalala. 22,59% kosa hatreto no azon'ny kandidan'ny Firaisakina, Dina Toky Ny Aina Iaritiana.

Manandriana (BV 15/124 # 12,10%)

Anjakan'ny kandida tsy miankina Jaona Andrianantenaina hatreto ny lalao. Manana salan'isa 50,07% ny tenany. Manaraka azy ny avy amin'ny IRMAR, Julie Florence Rasoamananjara, nahazo ny 29,19%-n'ny vato manankery.

Ikongo (BV 24/218 # 11,01%)

Kandida roa ihany no nirotsaka ho fidiana tao Ikongo. Tsy iza izany fa i Mariette Ravoniarisoa, IMRAR, 69,27%, sy i Jean Brunelle Razafitsiandraofa, Firaisankina, 30,73%.

Ikalamavony (BV 26/98 # 26,53%)

Mitarika amin'ny salan'isa 62,83% hatreto ny kandida tsy miankina Pety Rakotoniaina. Manaraka azy kosa ny kandida Raharimampionona, IRMAR, nahazo 37,17%. Izy roalahy ireo ihany moa no mpifaninana tao Ikalamavony, faritra Matsiatra Ambony.

Isandra (BV 41/136 # 30,15%)

Mitarika ny kandidan'ny IRMAR, Rado Ralambozafy, nahazo ny salan'isa 56,60%. Manaraka azy ny kandida tsy miankina Hajanarivo Lucien Ratovoson, 39,58%.

Iakora (BV 23/68 # 33,82%)

Ny kandida tsy miankina Sambo no nahazo ny isam-bato ambony indrindra, ka nahazo ny salan'isa 55,99%. Ny laharana faharoa dia mbola kandida tsy miankina ihany, izay tsy iza fa Jimmy Joe Rakotonirina, nahazo ny salan'isa 29,23%.

Ihosy (BV 94/308 # 30,52%)

Mitarika amin'ny salan'isa 40,34% ny kandidan'ny IRMAR, Bismark Mong Mann. Manaraka azy kosa i Louis Joseph Rakotoarimavo, izay natolotry ny vovonana politika Firaisankina. Nahazo ny 26,89%-n'ireo vato manankery ny tenany.

Mananjary (BV 44/306 # 14,38%)

Anjakan'ny Firaisankina hatreto ny ao Mananjary, faritra Vatovavy. Manana salan'isa 47,35% i Charlot Mamihaja. Manaraka zy ny avy amin'ny IRMAR, ny dokotera Maurice Lucien Randrianarison, 32,57%.

Analalava (BV 29/193 # 15,03%)

Anjakan'ny IRMAR ny ao Analalava, faritra Sofia. Nahazo salan'isa ambony dia ambony, 87,46% ny Minisitra teo aloha, Soafilira Princia. Laharana faharoa ny kandida avy amin'ny Vondrona Firaisankina, Ime Djaosera, nahazo ny salan'isa 9,50%.

Sainte-Marie (BV 24/34 # 70,59%)

Herilaza Imbiki, avy amin'ny IRMAR, no mitana ny laharana voalohany, amin'ny salan'isa 67,85%. Laharana faharoa kosa ny kandida tsy miankina, hany tokana mifaninana aminy, Luc Ravonty, nahazo ny salan'isa 32,15%.

Lire la suite

Articles Similaires