• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © A Vogel
Image
Vaovao

Andro iraisam-pirenena ho an'ny ovy 2024 : Tokony hamokatra ovy 30t/ha ny mpamboly

30/05/2024 16:08 © Moov

Hankalazaina anio 30 may ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ovy. Mbola kely ny vokatra eto Madagasikara kanefa anisan’ny sakafo iray tena ilaina ny ovy.

Tokony hahatratra hjatramin’ny 20 na 30 taonina isaky ny hektara ny vokatra ovy, raha 6 taonina fotsiny izany eto amintsika. Maro araka izany ireo fihetsika mila ovaina.

Mila masomboly nohatsaraina

Anisan’ny vahaolana hahafahana manatratra io tanjona amin’ny famokarana io ny fanatsarana ny masomboly. Marihina moa fa ny masomboly no miantoka ny 80% ny famokarana iray. Manaraka izany ao fotsiny ny karazana zezika sy ny fikarakarana. Nanambara ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana fa tokony hampiroboroboana ireo karzana aovy nohatsaraina. Mifanaraka amin’izany ihany koa ny famokarana masomboly ara-kalitao. Mifampiankina amin’izany ihany koa anefa ny fanapariahana ny teknikam-pamokarana sy fanangonam-bokatra ary ny fanatsarana ny lalam-barotra. Anisan’ny zava-dehibe izany ezaka izany ho fanatsarana ny tsy fanjarian-tsakafo. Nanambara manko ny avy ao amin’ity ministzra ity fa ny voly ovy dia miantoka ny salafo miovaova. Manena ihany koa ny fiankinan-doha amin’ny foto-tsakafo tokana ary hahafahana miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro ihany koa.

Tokantrano miisa 200 000

Mbola azo atao ny mampitombo ny mpamokatra ovy manerana an’ny Madagasikara. Tokantrano miisa 200 000 no mamokatra ovy 250 000 taonina isan-taona eto Madagasikara. Marihina anefa fa ny voly ovy dia amin’ny farira afovoan-tany no tena hahafahana mamboly azy. Araka izany ireo fianakaviana eto afovoan-tany no afaka mampitombo ny vokatra sy ny mpamboly. Izany no amporisihana dia mba hahafahana manampy vokatra manerana ny Nosy. Tsiahivina fa maro ireo fomba hahafahana mahandro ny ovy mba ho feno hery ny sakafo hoan’ireo malagasy marobe.

Io fampitomboana ny mpamokatra io dia hahafahana manome vokatra mitombo. Manankarena proteina sy hery maro be ny ovy ka afaka manamafy ny fanjariana ara-tsakafon’izao tontolo izao.


Copyright Image : © FAO

Lire la suite

Articles Similaires