• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Antananarivo sy Le Caire : Tanàn-dehibe roa vonona hiara-hiasa ho an’ny fampandrosoana

30/05/2024 14:37 © Moov.Mg

Notanterahina androany maraina, tao amin’ny lapan’ny Tanànan’Antananarivo ny fanakambanana (jumelage) amin’ny fomba ôfisialy ny tanàn-dehiben’Antananarivo sy ny tanàn-dehiben’i Le Caire, any Ejipta.

Samy hahazo tombony

Fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa sady fifanaovan-tsonia ny fifanarahana fanakambanana ny tanàn-dehibe roa tonta, no notanterahin’ny filohan’ny delegasiôna manokan’ny tanànan’Antananarivo (PDS) Ramanambitana Richard Barjohn sy ny masoivohon’ny Repoblika Arabon’i Ejipta, ramatoa Rabab Said Abdou Abdelhadi androany, teny amin’ny lapan’ny tanàna Analakely. Nanatrika ny lanonana ihany koa ny minisitry ny Raharaham-bahiny, ramatoa Rafaravavitafika Rasata. Niara-niaiky ireo izay nifandimby nandray fitenenana, fa samy hahazo tombony amin’izao fanakambanana ny tanàna izao, na Antananarivo na i Le Caire, noho ireo tanàn-dehibe ireo samy manana ny maha-izy azy, na eo amin’ny lafiny ara-kolontsaina, na eo amin’ireo karazana fanararaotra azo hiaraha-miasa, mba ho fampandrosoana ny mponina sy ny tanàna.

Hampandroso an’i Afrika

Ny fiaraha-miasa toy izao dia teraka vokatry ny fijery mitovy, dia ny finiavana te hampandroso an’i Afrika, hoy Rtoa Rabab Said Abdou Abdelhadi, tao anatin’ny kabariny. Nametraka vina hotratrarina hatramin’ny taona 2030 ny governemanta Ejipsianina, araka ny nambarany. Isan’izany ny fanomezana lanja ny angovo azo havaozina sy ny fanodinana ny fako. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fanafoanana ny fanorenana tsy ara-dalàna, mba ho fanomezana endrika ny tanàna. I Le Caire rahateo no handray ny fihaonambe eran-tany momba ny tanàn-dehibe, karakarain’ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny trano fonenana (ONU-Habitat), ny 4 hatramin’ny 8 novambra 2024. Nanatsidika sahady ramatoa masoivohon'i Ejipta eto amintsika, fa efa velom-bolo ny handray ny delegasiôna malagasy any an-toerana, amin’io fotoana io.

Sehatra maro no voakasika

Tao anatin’ny fandraisam-pitenenany dia nanamafy ny PDS Ramanambitana Richard, fa sarobidy ny fifanampiana amin'ny fikolokoloana ny hoavin'ny mponina, izay asehon’izao fanakambanana ny tanànan’Antananarivo sy i Le Caire izao. Nametraka tanjona rahateo izy, raha ny nambarany, rehefa tonga teo amin’ny fitantanana ny tanàna, dia i Iarivo ho renivohitra mahatehotia, mahafinaritra ipetrahana sy anehoana ny hakanton'ny firenena. Sehatra maro no azo iaraha-miasa amin’i Le Caire mba hahatanteraka izany, toy ny kolontsaina, ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny fizahan-tany, ny ady amin'ny fiovan'ny toetr'andro sy ny maro hafa. Nanamafy ny maha-zava-dehibe ireo fiaraha-miasa ireo ihany koa ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika. Isan’ny notsipihiny fa sehatra azo entina mampandroso ny tanàna roa tonta ny lafiny ara-kolontsaina ; ny ara-toekarena, ary ny fanabeazana.

Lire la suite

Articles Similaires