• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Safidy
Image
Vaovao

Fanarahamaso ny fifidianana : Nilamina amin’ny taha 99% ny fisokafan’ny biraom-pifidianana, hoy ny Safidy

29/05/2024 11:50 © Moov.Mg

Ny 77,5% tamin’ireo birao fandatsaham-bato narahin’ny firaisamonim-pirenena Safidy maso no nanaja ny ora fisokafana tamin’ny 6 ora maraina, araka ny tatitra nataon’izy ireo. Amin’ny ankapobeny dia nilamina izany fisokafan’ny biraom-pifidianana izany, hoy izy ireo.

Vitsy ny fahatarana

Saika feno avokoa ireo fitaovana sy kojakoja fanatanterahana ny fifidianana, teny amin’ireo birao fandatsaham-bato, araka ny fanaraha-maso notanterahan’ny firaisamonim-pirenena Safidy. Raha nanaja ny ora fisokafana tamin’ny 6 ora maraina ny 77,5% tamin’ireo biraom-pifidianana narahi-maso, dia nisy 6% kosa no nahitana fahatarana adin’ny iray mahery. Nanaja ny voafaritry ny lalàna ny 98,9%-amin’ireo birao fandatsaham-bato, izay nahitana mpikambana ao amin’ny biraom-pifidianana maherin’ny telo nanatrika ny fotoam-pisokafana, mba hiantohana ny fampandehanan-draharaham-pifidianana. Nisy delegen’ny kandidà nanatrika ny fanokafana ny latsa-bato, ny 96,9% amin’ireo birao fandatsaham-bato ary nisy mpifidy nanatrika ny fanokafana ny latsa-bato, tamin’ny 79,9%-n’ireo biraom-pifidianana narahi-maso.

Fitarainana 61 isa

Raha fehezina dia nizotra am-pilaminana ny fanokafana ny biraom-pifidianana tamin’ny 99%-n’ireo birao fandatsaham-bato narahin’ny firaisamonim-pirenena Safidy maso. Naharay ireo fitaovam-pifidianana ihany koa ny 89%-n’ireo biraom-pifidianana tamin'ny fotoana nisokafany. Ankoatra izay dia mangarahara sy nihidy tsara ny vata fandatsaham-bato, araka ny lalàna, tany amin'ny 99,8%-n'ny biraom-pifidianana. Hatramin’ny fotoana nanoratana moa dia nilaza ny Safidy fa naharay tatitra niisa 61 tamin’ny alalan’ny laharana maitso, izay noraisin’ny sampana mpandray an-tanana ny tranga fanairana. Ny tranga mateti-piseho tamin’izany dia ny fahataran’ny fisokafan’ny biraom-pifidianana, noho ny fahataran’ny fahatongavan’ny fitaovam-pifidianana sy ny fahataran’ny mpikamban’ny biraom-pifidianana.

Lire la suite

Articles Similaires