• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Filoha Rajoelina : Tena lapan’ny demôkrasia ny Antenimierampirenena

29/05/2024 11:12 © Moov.Mg

Teny Ambatobe, Boriborintany faha-5, no nanatanteraka ny adidiny amin’ny fandatsaham-bato ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, ho an’ity andron’ny 29 mey, fifidianana izay ho Solombavambahoakan’i Madagasikara ity.

Adidin’ny rehetra ny mifidy

Tao anatin’izany indrindra no nilazany fa « Tsy manavaka sata ny zo eo anatrehan’ny fiarahamonina, ary tsy misafidy saranga ny adidy eo anatrehan’ny firenena », izany no antony nahatonga azy nandrotsa-bato androany, amin’ny maha-olompirenena azy. Satria fomba iray anehoana ny safidy, amin’ny alalan’ny latsabato ny fifidianana, dia niantso ny olompirenena rehetra manan-jo hifidy, mba hanatanteraka izany ny Filoham-pirenena. Nampahatsiahiviny fa anjara asan’ny Solombavambahoaka izay fidiana androany ny ho mpitondra ny feon’ny vahoaka eo anivon’ny Antenimierampirenena, izay antsoina ihany koa hoe : lapan’ny demôkrasia, satria toerana fanehoan-kevitra sy hahafahana miady hevitra. Voaresaka eo anivon’io Antenimierampirenena eny Tsimbazaza io avokoa, ny tetibolam-panjakana, ny asa tokony ataon’ny fitondram-panjakana tompon’ny fahefana mpanatanteraka, ireo karazana lalàna izay atolotra ary ireo asa izay tokony hanasoavana sy hampandrosoana ny firenena, eo anivon’ny Distrika tsirairay avy.

Fampiatiana ireo manana fahasembanana

Raha ny tsikaritra anefa, fa somary ambany ihany ny taham-pandraisana anjara amin’ny fifidianana eto Madagasikara. Tsy dia mazoto loatra ny olona rehefa fifidianana Solombavambahoaka, hoy ny filoha Andry Rajoelina. Noho izany indrindra dia nanamafy ny fanentanana ny vahoaka malagasy rehetra mba hanatanteraka ny adidiny, amin’ny fisafidianana izay olona hisolo tena azy ireo, ny Filoha. Tsiahivina fa isan’ny ezaka nataon’ny Vaomieram-pirenena Mahaleo Tena misahana ny Fifidianana (CENI), ny fampandraisana anjara ireo manana fahasembanana, indrindra ireo manana olana ara-pahitana, amin’ny alalan’ny fampiasana fitaovana manokana ho an’ny jamba. Izany dia mba hahafahan’ny olompirenena rehetra tsy an-kanavaka misitraka ny zony.

Lire la suite

Articles Similaires