• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ceni
Image
Vaovao

Androm-pifidianana : Maro ireo manararaotra ny andro tsy fiasana

29/05/2024 08:40 © Moov

Andro tsy fiasana sady tsy fianarana androany 29 may, fifidianana solombavambahoaka manerana an'i Madagasikara. Tsy vitsy ny olom-pirenena no manararaotra izany hialana voly sy hiarahana amin'ny fianakaviana.

Tsy mandany fotoana ny fifidianana

30 minitra eo ho eo, raha be indrindra, no lanin'ny olona iray amin'ny fifidianana. Tsy lavitra ny trano fonenana mantsy no misy ny birao fandatsaham-bato, araka ny fandaminana. Samy efa manana ny efitra andatsahany vato ihany koa ny tsirairay, na dia iray fokontany izao ihany aza. Mety 5 minitra aza dia vita ny fandatsaham-bato raha tsy misy filaharana. Tsy manakana ny asa aman-draharaha sy ny fandaharam-potoana isan-karazany araka izany ny fandehanana mifidy.
Maro ireo olom-pirenena no manararaotra miantsena, mandamina ny ao an-tokantrano na mitsangatsangana kely miaraka amin'ny fianakaviana mihitsy aza. Tsy adino kosa ireo mpiasa tena izay manohy ny asa fitadiavam-bola mahazatra. Anisan'izany ohatra ireo mpivarotra enta-madinika, sakafo, lamba fitafy sy kojakoja isan-karazany. Eny Analakely sy Andravoahangy manokana, mivarotra avokoa ireo mpivarotra anaty tsena sy eny amoron-dalana.

Tsy azo atao ny mivarotra zava-pisotro misy alikaola

Zary fahazarana ny misotrosotro kely rehefa andro tsy fiasana, indrindra ho an'ireo misafidy ny hivoaka kely ny renivohitra. Ampahatsiahivina nefa fa tsy azo atao ny mivarotra zava-pisotro misy alikaola, nanomboka omaly. Ao anatin'ny androm-pifidianana tanteraka mantsy isika. Manara-maso manokana mikasika ny fampanajana izany lalàna izany ireo mpitandro ny filaminana, ka azo antoka fa hisy ny sazy enjana ho an'izay mandika izany. Ho an'ireo magazay lehibe manokana, takonan'izy ireo lamba mainty ireo "rayons" misy ny divay, ny labiera sy ny toaka.
Entanina hatrany ny olom-pirenena tsirairay hanantanteraka ny adidy masina, izay hisy fiantraikany goavana amin'ny fiainam-bahoaka mandritra ny 5 taona manaraka. "Zo sy fahefana mitaky adidy ny fandehanana mandatsa-bato", araka ny nambaran'ny filohan'ny CENI, Dama Arsène.

Lire la suite

Articles Similaires